Niiba ny resaka fiaraha-miombon’antoka sy famatsiam-bola ho an’ny fitondrana Rajoelina izay nandray ny fitantanana ny firenena tamin’ity taona 2019 ity.
Misy akony hatramin’izao ny 2009, ny vava be nataony tamin’ny adihevitra nifanatrehany tamin’i Marc Ravalomanana, fa tsy mila fanampiana avy any ivelany. Vao nivoaka ny firenena voalohany amin’ny maha Filoha azy anefa ny Atoa Andry Rajoelina ny febroary niatrika ny fivoriana faha-32 ho an’ny Vondrona Afrikanina, dia nangatahany voalohany tamin’ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena ny tohana ara-bola ho an’ny firenena Malagasy. Misy ny karazana fanampiana azon’i Madagasikara, toy ny avy amin’ny FMI na ny Banky Iraisam-pirenena, izay mitsitaitaika eo amin’ny 30 hatramin’ny 100 tapitrisa dolara eo, toy ny FEC (Fonds Elargie des Crédits) natao ho tosika ho an’ny firenena tena sahirana na koa ny fanampiana eo amin’ny lafiny maha olona (aides humanitaires). Misy foana io amin’ny ankapobeny na iza na iza mpitondra eo. Raha ny zavatra goavana, dia manjavozavo ny fanatanterahana ny IEM, toy ny Tanà-masoandro ohatra, izay mila 2575 miliara ariary na 650 tapitrisa euros eo. Ny ao anaty tetibolam-panjakana tsy mamaritra izany. Ny taona 2017 no efa nireharehana fa efa vonona ny mpamatsy vola, nandritra ny fampahafantarana ny IEM tany Frantsa. Inona no teo ? Ahiana ny “financement parallèle” na lalam-bola hafa mampiahiahy noho ny fifanarahana hafahafa, toy ny famarotana tanindrazana. 8 miliara dolara saika hanatanterahana ny dingana rehetra tao anatin’ny MAP tamin’ny andron-dRavalomanana, raha ny fanazavan’Atoa Ivohasina Razafimahefa “chief of staff” tamin’izany. Natanjaka tamin’ny fandresen-dahatra ny fanjakana Ravalomanana, ary ny olona niara-namolavola ny MAP taminy, toa an’Atoa Ivohasina Razafimahefa dia manana toerana ambony any amin’ny Banky Iraisam-pirenena na ny FMI amin’izao. Aiza ho aiza ny fanjakana Rajoelina na ara-traikefa na arak’olona ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.