Hita ho mirona bebe kokoa any amin'ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon'ireo filohan'ankolafy sy lehiben'antoko, araka ny soso-kevitry ny amiraly ny fizotry ny raharaha politika amin'izao fotoana.
Ny an'ny ankolafy telo aloha dia efa hatry ny ela io fitakiana io. Mifanesisesy ny fihaonana eny amin'ny Carlton eny. Ireo vahiny mitafa amin'ny amiraly no miova saingy mitovy daholo ihany ny votoatin'ny resaka dia ny fanatanterahana io fihaonana an-tampony eto Antananarivo io, ary mitovy hevitra ny maro fa tsy tokony hiandry ela izany satria mila vahaolana mahomby faran'izay haingana ny firenena. Mifandraika amin'io avy hatrany dia voaresaka matetika koa tato ho ato izay ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy zavatra atao maimaika izy io fa efa voadinika hatry ny ela, raha araka ny fanazavana voaray. Tena nisy ny fifampiresahana teo amin'Atoa isany Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy, momba izany. Tsy maintsy misy zavatra nifanarahana tao na dia tsy fantatry ny rehetra aza.
Mahalala tsara izany programa rehetra izany ny praiminisitra Beriziky satria efa niresaka mivantana tamin'ny filoha Ratsiraka sy Zafy no efa nidinika tamin'ny ankolafy Ravalomanana ihany koa. Tsy resaka an-tsisiny izy ity fa tena goavana sy iankinan’ny tohin’ny famahana ny krizy. Azo hanaporofoana izany ny fihaonan'Atoa Ratsiraka tamin'Atoa Mokgheti Monaïsa, masoivohon'i Afrika Atsimo sady solontena vonjimaikan'ny SADC eto amintsika omaly, niantoka tamin'ny fanomanana ilay fihaonana an-tampony sy ny fodian'i Marc Ravalomanana ny dinika. Omaly ihany koa dia nanamafy indray Atoa Gilbert Raharizatovo, minisitry ny FAT teo aloha no sady filohan'ny PSRI na vovonana ho amin'ny fitoniana sy ny fankatoavana iraisam-pirenena fa tokony havela hody malalaka Atoa Ravalomanana satria tsy azo ihodivirana ny fanatanterahana ilay fihaonana an-tampon'ny filohan'ny ankolafy 4 miaraka amin'ny lehiben'ny antoko politika rehetra eto amin'ny nosy.
Maro ihany koa no efa mahatsapa izao fa tsy hivaha izany iy krizy ity raha tsy miresaka sy mifanazava tsara mihitsy aloha i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, aorian'izay dia ho mora ny fikarohana ny marimaritra iraisana eo amin'ireo ankolafy politika rehetra. Ny tokony hahamailo ihany koa, araka ny fandinihan'ny mpanara-baovao politika azy dia misy mihitsy ireo vondron'olona tohanana firenena avy any ivelany mitady ny fomba rehetra tsy hahatafaverina an'i Marc Ravalomanana eto, sy tsy hahatanteraka ilay fihaonambe, satria raha mahay mifanaraka ny samy Malagasy dia ho very fihinanana izy ireo, izay zatra nampiady sy nampifandrafy ny mpiray tanindrazana mba hahafahana maka tombontsoa mihoa-pampana eto amin'ity firenena ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.