Tahaka ny rafotsibe very laona amin’izao fotoana izao ireo gadra politika rehetra mbola any am-ponja.
Ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha BANI aza re izao fa noborian’ny FAT hatrany amin’ny efatra hetsy ariary ny karaman’ireo manamboninahitra, izay 25%-n’ny karama eo, tamin’ity volana septambra ity. Tsy mbola nisy didim-pitsarana nanameloka azy ireo anefa. Ho hita eo indray kosa izay hitranga ny anio mandritra ny fitsarana ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana haka ny lapan’i Mahazoarivo. Afak’omaly iny dia efa fantatra fa nirava tsy nisy inona ny mikasika ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Radion’ny Gasy. Mora fotsiny ny filazana fanemorana amin’ny 18 oktobra. Ankoatra ireo izay mandeha eny amin’ny fitsarana dia tsy misy mpiresaka. Araka ny tsiliantsofina dia misy ny fivorivoriana etsy sy eroa ataon’ny mpanao politika rehetra taorian’ny fanasoniavana ilay tondrozotra saingy zavatra hafa no hifampidinihana dia ny fizaran-tseza izany. Tsy misy na iray amin’ny mpanao politika aza mba miresaka ny amin’ireo gadra politika. Heverina ho toy ny tsy misy, araka izany, ireo gadra politika maro izay nohirahiraina hatramin’izay fa vokatry ny tsy fanajana zon’olombelona. Mety ho natao fitadiavan-tseza ihany koa ireny tranga ireny ho an’ny sasany ka rehefa milamina ny seza dia tsy misy mahalala izay gadra any am-ponja intsony.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.