Politique

Famahana ny krizy Tsy mety hita ny vahaolana


  • Talata 21 Febroary 2012

Sivy andro sisa dia hifarana ny volana febroary ary higadona ihany koa ilay datin'ny 29 febroary, fe-potoana nomen'ny SADC hanatanterahana ny famotsoran-keloka, izay efa natsidiky ny manampahefana sy mpanao politika sasany fa tsy ho tratra, noho ny antony ara-teknika (hono).

 Tsy mbola fantatra mazava aloha hatramin'izao hoe rahoviana marina no ho tonga eny amin'ny Parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Araka ny resaka mandeha dia na ny samy minisitra ao anatin'ny governemanta aza tsy mitovy hevitra amina teboka maromaro momba ny fandrafetana ity volavolan-dalàna ity. Tena sarotra, araka izany, ny asan'ilay “Comité ad'hoc” satria ifandroritana ny hevitra. Fa ny tena manitikitika ny maro izao dia ny hoe : inona indray ary no hitranga raha toa ka tsy voahaja io fe-potoana io ? Tena hiditra amin'ny dingana manaraka hentitra kokoa ve ny Troika, tahaka ny hoe tsy maintsy miverina mihaona indray ireo filohan'ny ankolafy 4, dia hitarina ny fivoriana rehefa avy eo, sa ve hanome andro maromaro hafa indray handanian'ny Parlemanta ny famotsoran-keloka sy hampodiana ireo sesitany politika ary hamoahana ny gadra politika rehetra ? Araka ny efa nitaterana azy teto ihany, dia hita sy tsapa eo am-pandinihana ny fizotry ny raharaham-pirenena sy ireo fanehoan-kevitra politika tato ho ato izay, fa misy tetika hampandamoka ny fampiharana ny tondrozotra any ambadibadika any.

Ny olona nilokaloka ny amin'ny maha mety ny tondrozotra, volana vitsivitsy lasa izay, no milaza indray ankehitriny fa tsy vahaolana io. Maro ny manohana io hevitra io ary resy lahatra fa tahaka ny nofinofy mihitsy izany hoe hahatanteraka ny fiaraha-mitantana izany. Ao kosa anefa ny mahita fa tsy hoe ny tondrozotra mihitsy no ratsy, fa ny finiavana sy fahavononana hampihatra azy no tsy ampy, na tsy misy mihitsy. Mety ao anatin'ny safidy azo atao ny hoe adabohy any ary io tondrozotra io, dia mikaroka fomba hafa ny Malagasy hamahana ny krizy, tsy tokony hohadinoina amin'izay anefa fa hitoka-monina tanteraka isika ary tsy hahazo fanampiana avy any ivelany izany. Matoa misy firenena vahiny mbola manampy antsika amin'izany dia efa manana tanjona hafa hahazoany tombony betsaka kokoa noho ny teo aloha izy. Tena sarotra ny fanapahana momba ity raharaham-pirenena ity satria maro be loatra ny tsy fetezana misy eto, im-betsaka ihany koa no mety diso lalana ny mpitondra sy ny mpanao politika, ary zatra nanantena sy niandry fahagagana loatra ny vahoaka. Ny hevitra samy manana ny azy, saingy ny zava-misy aloha dia miha mahantra ny Malagasy, miha potika ny firenena, ary tsy misy afaka milaza fa vitany samirery ny mamaha izao krizy izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT