Politique

Famahana ny krizy Resaky ny moana sy ny marenina !


  • Zoma 16 Septambra 2011

Hahafinaritra ve sa tsia ny zoma amin’ity anio ity ? Raha hahafinaritra dia ho an’iza ? Mibahan-toerana amin’ny vaovao ny fanaovan-tsonia ilay tondrozotra tokony hotanterahana anio tolakandro.

 Mbola misy ihany anefa ny tsy fitovian-kevitra amin’ireo tokony hanasonia azy, ary na ireo lehiben’ny ankolafy roa dia Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana aza dia tsy mbola tonga eto Madagasikara. Koa raha atao ihany ny sonia, dia iza avy ireo hanao sonia, ary ahoana no lanjan’izany sonia izany eo amin’ny fifandraisana iraisam-prenena. Hamaha ny krizy ve ilay izy sa vao miha hampitombo ny fahasahiranana.

Raha ny tokony ho izy ihany koa dia mbola miverina any amin’ny tany niaviana ka hanao tatitra amin’ny lehibe ny naniraka azy aloha ireo iraky ny SADC ireo, izay vao misy ny fanambarana mivoaka dia ho hita eo indray ny tohiny. Iraka ihany ireo tonga eto Madagasikara ireo fa tsy mpanapa-kevitra, tsy maintsy eo ambany fiahian’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina anefa ny fanaovan-tsonia ary hatrehan’ny herivelona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana, izay vao manan-kery. Ary na ireo masoivoho vahiny ihany koa aza dia tokony hanana solontena hanatrika izany.

Araka ny fahafantarana azy anefa dia tsy mbola nisy ny taratasy fanasana ofisialy voarain’ireo rehetra voakasiky ny fanaovan-tsonia, sa ve atao antso maika amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra, na atao SMS tahaka ny tamin’ny fihaonambem-pirenena indray ny fanasana ireo olona hanatrika ny fanaovan-tsonia ? Tsy azo lavina fa nanakorontana ny tontolo politika sy ny famahana krizy ihany koa ny fifanipahan-kevitra anatiny tao amin’ny SADC ka mahatonga ny savorovoro mbola mitoetra hatramin’izao ! Na inon-kidona na inon-kihatra dia hanao sonia hono ny FAT sy ny ekipany rehetra anio tolakandro, tsy hanasonia kosa ny Ankolafy 3 raha tsy tanteraka sy mihatra ny fanitsiana ilay sori-dalana ka miverina tsy misy fepetra eto Atoa isany Marc Ravaloanana sy Didier Ratsiraka. Dia resaky moana sy ny marenina izany no misy eto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT