Politique

Famahana ny krizy Miozongozona ny fahefan’ny FAT


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Na ahoana na ahoana mety ho tohin’ny fifampiraharahana, na fivoriana momba ny famahana ny krizy dia maro no resy lahatra fa tsy manome vahana ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina intsony ny tranga rehetraVoalohany, efa ela loatra ho an’ny vahoaka ilay telo taona.

 Tsy hita ihany izay hoe haingam-pandeha sy mahay miasa tsara lavitra noho ny teo aloha ny FAT. Maro be ny resaka sy fampanantenana natao kanefa toa vao miha mampitombo ny olana izy ireny. Faharoa manaraka izay dia nahadiso fanantenana ny ankamaroan’ny olona ny nahita indray ireo mpanao politika efa ratsy endrika teo imason’ny vahoaka, tsy nety voafidy sy tsy nahazo vato mihoatry ny 200, mahazo toerana sy midehaka fa hakana hevitra hamahana ny krizy amin’izao fotoana, ary toa teny sy filamantra fotsiny ilay hoe tanora fa olona efa dinôzôro politika ny ankamaroan’ireo manodidina an’i Andry Rajoelina.

Fahatelo dia diso nieboebo loatra izao fitondrana tetezamita izao ka nieritreritra fa tsy mahavita azy intsony ireo filoha teo aloha. Fahefatra dia tsy mazava ny politikan’ny FAT eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hoe arakaraka ny mahasoa an’i Madagasikara marina ve sa araka ny baiko omen’ny mpanjanatany fahiny, izay misabaka ary tsy tena manohana akory fa resaka fotsiny no betsaka. Nanao ny nataony ary tena hita mibaribary fa nitongilana tamin’ny FAT ny mpanelanelana sasany avy amin’ny SADC teo aloha kely teo, ary dia izao iaraha-mahita izao ny vokany, mikatso ny raharaha tsy mety voasonia ilay sori-dalana. Koa raha hiova izao ny iraka manokana ho avy eto dia azo antoka fa hiova koa ny fomba fiasa.

Efa iaraha-mahalala fa tsy mahazo avara-patana amin’i Afrika Atsimo ny fitondrana tetezamita misy eto amintsika ankehitriny, izay no tsy nahafahany nampody ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hotsaraina eto Madagasikara. Tonga tany Afrika Atsimo nihaona tamin’ny filoha Jacob Zuma ihany ny filohan’ny FAT saingy tsy nahita rirany. Tena hita ho mihozongozona ny fitondran’ny FAT ary mety ho maro, araka izany, ny «surprises» hitranga eto, indrindra fa ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, koa dia ho hita eo !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT