Politique

Famahana ny krizy Miandry “miracle” amin’i Tanzania


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Samy miandry izay ho fehin-kevitra havoakan’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC mivory atsy Maputo Mozambika, ny amin’izay heverin’izy ireo fa hamahana ny krizy eto Madagasikara ny rehetra

 Nahazo fanasana ofisialy hanatrika izany Atoa Marc Ravalomanana. Lasa any ihany koa Atoa Andry Rajoelina. Raha ny fantatra moa dia tapitra hatreo ny fitantanan’i Afrika Atsimo ny SADC ny Troika fa ry zareo Tanzanianina indray no hirotsaka an-tsehatra. I Tanzania izany no hitarika indray ny famahana ny olana eto amintsika sy ireo olana amin’ireo firenen-kafa mpikambana eo anivon’ny SADC. Tapitra hatreo koa ny iraka nampanaovina an’ingahy Marius Fransman. Tamin’ny diany teto Madagasikara farany teo moa dia efa teo ny iraka Tanzanianina. Tsy mbola fantatra amin’ny fomba ofisialy moa izay handimbimby ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Anisan’ny nisongadina moa tamin’ny asan’i Afrika Atsimo ny nahavitana ny sonia ny sori-dalana sy ny nametrahana ny praiminisitra Beriziky. Ny fampiharana ny sori-dalana an-tsakany sy an-davany, indrindra fa ireo andininy vitsivitsy toy ny faha-16, 18, 20 no tsy mety ifanarahan’ireo mpanao politika, indrindra ry zareo eo anivon’ny FAT. Eo koa ny ho firosoana amin’ny fifidianana izay tokony hoeken’ny rehetra, na ny eto an-toerana na ny eo amin’ny iraisam-pirenena hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Fanontaniana mbola miandry valiny, araka izany, ny hoe raha mihoatra an’izay efa vitan’ireo nitantana ny SADC teo aloha toa an’i Namibia, Afrika Atsimo, ahoana sy inona no mety hataon’i Tanzania ?

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT