Miantso ireo fikambanana iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina mba hanohana ny fanatanterahana ny tondrozotra ny SADC, tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy ny 11 mey lasa teo.
Midika izany fa manomboka maika sy dodona amin’ny famahana ny krizy ity vondrom-paritra ity. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany moa ny Troika izay tarihan’ny minisitra lefitra Afrikana Tatsimo momba ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, Marius Fransman.
Hifampitady
Azo ambara fa tena may volon-tratra mihitsy ny atsy amin’ny tanindrazan’i Nelson Mandela mba hamarana ny krizy eto Madagasikara satria manaratsy endrika an’i Afrika Atsimo ny fitarazohan’ny famahana ny krizy eto. Manana vina ny mba hitantana ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina mantsy i Afrika Atsimo ka izay no heverina fa mahatonga azy ireo mihetsika mafy. Amin’ny faran’ny volana jona ho avy izao no hotanterahana any Malawi ny fifidianana izany filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina izany. Efa nisy moa ny fifidianana natao tamin’ny 30 janoary lasa teo tany Addis Abeba, saingy na dia efa nisy fihodinana 4 aza izany, dia tsy nisy ny filoha voafidy satria tsy nahazo ny isam-bato 36 ambaran’ny fitsipika ingahy Jean Ping. Nifaninana taminy Rtoa Nkosazana Dlamini Zuma, ministry ny atitany Afrikanina Tatsimo, no sady vadin’ny filoha Jacob Zuma teo aloha. Na dia nandresy tamin’ireo fihodinana telo voalohany tamin’ny fifidianana aza Atoa Jean Ping (28/25 - 27/26 - 29/21) dia tsy nahazo ilay isam-bato 36 maha filoha azy. Izy irery moa no kandida tamin’ny fihodinana faha-4, kanefa dia 32 ny vato azony. Taorian’io tany Addis Abeba io dia nifanekena, fa averina afaka enim-bolana amin’ny fivoriana ara-potoan’ny filoham-pirenena manaraka, ny fifidianana. Any Malawi indray izany, amin’ny faran’ny volana jona no mety hifampitady ireo kandida ho filoha hitantana ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, ka mety mbola hifanandrina ao ihany Atoa Jean Ping, filoha teo aloha sy Rtoa Nkosazana Dlamini Zuma, kandida atolotr’i Afrika Atsimo.
Diplaomasia
Ambaran’ny mpanara-baovao fa fifanandrinana eo amin’ny tany miteny Frantsay sy miteny Anglisy aty Afrika, ity fifidianana ity, ary azo antoka fa hanova zavatra ny hitantanan’i Afrika Atsimo izany vaomieran’ny Vondrona Afrikanina izany, ary tena hampihena ny tsindry bokotri Frantsa aty Afrika. Mety hanova zavatra amin’ny fizotry ny raharaha eto Madagasikara ihany koa izany. Mandra-piandry ny fivoriana any Malawi anefa dia mila manaporofo i Afrika Atsimo fa mahavaha krizy, ka izay no antony mety mampikorapaka ny SADC io. Mazava be fa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’ny filoha Jacob Zuma tany Libia ary tena nanala baraka ny diplaomasia Afrikanina Tatsimo, koa raha sanatria tsy mbola mahavita mandamina sy mamaha ny krizy eto indray ry Marius Fransman sy ny ekipany dia ho nofinofy ny hahalany ny kandida an’i Afrika Atsimo ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, satria ny famahana krizy, sy ny fandravonana ny fifanandrinana no tena asa goavana miandry io rafitra iray io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.