Politique

Famahana ny krizy Manomboka mifanara-tsaina ny maro an’isa


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Miha hita soritra ihany amin’izao fotoana ny ho fizotry ny famahana ny krizy, ary raha ny tena marina dia izao vao nody ventiny ny rano nantsakaina tamin’ny alalan’ireo dinika sy fihaonana miafina na ofisialy nitranga tetsy sy teroa, na teto an-toerana izany na tany ivelany.

 Porofo mivaingana, azo tsapain-tanana amin’izany ny fifanatonan’ny Ankolafy telo sy ireo vondron’ny enin-tonta nanasonia ny Dina Repoblikanina, izay mbola hitohy amin’ity alatsinainy ity taorian’ny fihaonana savaranonando teny amin’ny Villa Elizabeth Ivandry ny zoma 09 septambra teo. Manana anjara toerana goavana amin’izao raharaham-pirenena izao ny mpanao politika, ka raha tsy mifanaraka mihitsy aloha izy ireo dia tsy hilamina ny raharaha eto. Mety misy ny hilaza fa efa samy manana ny kajiny avy ireo vondrona sy antoko politika ireo, ary misy dikany sy mety efa misy tambiny izao fifanatonan’ny mpifahavalo izao. Raha tena hitondra vahaolana anefa izany dia tsy mampaninona satria misy ny fotoana tsy maintsy hanombohana, fa raha mifampiandry lava na hifampitsikera sy hifanenjika dia tsy hisy zava-banona eto.

Mivoaka indray amin’izao fifanatonan’ny V6 sy ny Ankolafy 3 izao ny resaka fampihavanam-pirenena, izay tsy maintsy atao, kanefa tadiavin’ny FAT hodinganina fa tonga dia fifidianana, hono, no mahamaika azy. Raha atao ny fandinihana lalina dia tsy mbola mitovy lanja amin’ny Ankolafy 3 sy ny V6 miaraka izy ireo, na ny isan’ny mpanao politika izany, na isan’ny mpikambana ao amin’ny antoko, na koa ny isan’ny filoham-pirenena teo aloha. Raha mbola atao mazava ny resaka dia izay be no basy, izany hoe ny dinika nahitana ankolafin-kery politika goavana sy nanamarika ny tantaran’ity firenena ity maro indrindra no azo antoka fa tena hamoaka ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Mety ho maro be mihitsy ireo antoko sy fikambanana milaza etsy sy eroa fa manohana ny fanapahan-kevitry ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina. An-jatony izy ireo, saingy rehefa tena jerena sy tomorina akaiky ny mombamomba azy ireo dia tsy mahatarika olona firy akory ary tsy mbola azo lazaina mihitsy hoe mitondra marina ny feon’ny vahoaka.

Raha tsorina ny resaka dia maivana be ny lanja politikan’ireo antoko sy fikambanana maniry ohatry ny anana manohana an’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana, ary nahatsapa an’io ireo mpanao politika nanohana azy telo taona lasa izao. Nahita ihany koa ny fizotry ny raharaha rehetra dia resy lahatra fa tsy azo ailika izany mihitsy ny Ankolafy 3 ary ilay sori-dalana neken’ny filoham-panjakan’ny SADC tany Sandton, ka mamela ireo nanao sesitany ny tenany rehetra hiverina an-kalalahana eto Madagasikara no tena izy ary mila ampiharina eto, satria efa fanombohan’ny fampihavanam-pirenena sahady ilay izy, no fototra hananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana. Efa manomboka manaraka io lalana io ihany koa ny fiarahamonim-pirenena satria efa nifanatona sy nifampiresaka ny CNOSC sy ny Raiamandreny Mijoro mba handaminana ny fomba fiasa amin’ny fanelanelanan’ny samy Malagasy. Fehiny dia ho iray ihany izy rehetra ary izay vao hivoaka ny marimaritra iraisana ka samy handray anjara mavitrika amin’ny fanavotana ity firenena ity ny tsirairay. Ka asakasak’izay mbola ho sahy hanava-tena, mihevitra azy ho manana ny marina rehetra ihany !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT