Hatramin’ny nisian’ireo karazana fihaonana sy dinika hikaroham-bahaolana hamahana ny krizy, na teto Madagasikara izany na tany ivelany, dia niezaka hatrany nandefa ny olony hitsirika ny zava-mitranga sy hanindry bokotra na hanakorontana ny fehin-kevitra tapaka ny Frantsay.
Efa hatrany amin’ny Maputo I no nandefa iraka manokana hijery ny zava-misy ny fitondram-panjakana Frantsay, ary nitohy tamin’ny fivoriana hafa rehetra izany. Tsikaritra tany Mozambika, ohatra, ireo mpanolotsain’ny filoha sarkozy. Nitsoriaka tampoka tany Afrika Atsimo ny avy ao amin’ny ministeran’ny fiaraha-miasa sy ny raharaham-bahiny Frantsay raha vao nandeha ny resaka fa hisy fihaonana any Sandton sy Pretoria. Teto Madagasikara indray dia mazàna isaky ny misy iraky ny SADC tonga dia iny fa migadona ihany koa ny olon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina na ny COI, ny fikambanan’ny tany mampiasa ny teny Frantsay na OIF. Tamin’ity herinandro ity fotsiny izao, ny alahady lasa teo no tonga teto Antananrivo ny delegasion’ny Troika mba hanao tombanezaka ny fampiharana ny tondrozotra sy hihaona amin’ireo vondrona politika isan-karazany.
Ny alatsinainy dia efa tonga ihany koa Atoa Bruno Saada iraky ny OIF, nitsidika ny filohan’ny CST sy ny CT izy ary nilaza hatrany ny fahavononan’ity fikambanana ity hanohana ny fitondrana tetezamita amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana. Tsy dia noresahany kosa ny momba ny fampiharana ny tondrozotra fa nosafosafoiny fotsiny. Nifanindran-dalana tamin’izany rehetra izany dia tsy tonga tampoka ny minisitra lefitra Afrikanina Tatsimo, Atoa Marius Fransman.
Ary mialoha izao rehetra izao dia tsara ho fantatra ihany fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpitondra Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo, saingy tsy fantatra mazava ny votoatin-dresaka. Avo lenta ny politikan’ny diplaomasia iraisam-pirenena ary anisan’ny tena manana traikefa amin’izany ny Frantsay. Maro ireo karazana fanerena an-kolaka sy tsindry bokotra ataon’ny fitondran’ny filoha Sarkozy any ambadibadika any momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ary anisan’ny fitaovana ampiasaina amin’izany ny fikambana tahaka ny OIF sy ny COI izay natao hiaro ny tombontsoan’i Lafrantsa any amin’ireo zanataniny fahiny sy hanaparitaka ny kolotsaina Frantsay ihany koa. Tsy niova ny tanjona ho an’ny Frantsay. Tsy mila an’i Marc Ravalomanana miverina eto Madagasikara izy ireo ary miezaka ny hanatanterahana haingana fifidianana mba hahafahany mametraka ny olony hitantana an’i Madagasikara. Izay no antony nilazan’ny OIF hatramin’ny 2010 fa vonona ny hanampy ara-bola sy ara-pitaovana ny fitondrana tetezamita mba hikarakarana ny fifidianana izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.