Mahalasa fisainana ny maro izao taorian'ny fandavan'ny mpanohitra ny hiditra ao amin'ny governemanta sy ny kabarin'ny filohan'ny FAT ny sabotsy alina teo ary ny fahatongavan'ny amiraly Ratsiraka amin'ity herinandro ity ny ho ho tohin’ny famahana ny krizy sy ny mety hitranga.
Azo eritreretina ihany ve ny hitsanganan'ny governemanta amin'ity herinandro ity, ary iza avy no hiditra ao ? Sao dia sanatria tahaka ilay governemanta nijoro tamin'ny volana martsa 2011 indray ka dia ireo mitovitovy firehana ihany no hameno ny toerana. Nampiakatra avo dia avo ny adihevitra sy ny adivarotra ny mpanohitra ary hita fa tena tafaroboka ao anatin'ny vela-pandrika politikan'izy ireo Atoa isany Rajoelina sy Beriziky vantany vao nanaiky ny hampihemotra amin'ny daty hafa tsy mbola fantatra ny fananganana ny governemanta. Azo antoka mantsy izao fa hilaza koa ny ankolafy Ratsiraka hoe hanolotra kandida izy ireo. Noho izany dia hiverina hatrany am-boalohany ny fisafidianana ireo minisitra. Ny hanahirana aza dia mety hitaky ministera koa ity ankolafy ity dia vao mainka hikatso ny toe-draharaha. Amin'ny fomba fijery politika dia hita fa toa nivadika ny rasa ka ny mpanohitra indray izao no manao izay tiany afaka mampiandry ny praiminisitra sy ny filohan'ny tetezamita, ary hita ho tena marefo sy lany paikady ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina ka ny hany sisa herin'izy ireo dia ny mampirisika ny filohan'ny FAT hanendry minisitra dia hanomana haingana ny fifidianana.
Mazava anefa ny resaka fa tsy ho sahy hidi-bingo amin'izany ny filohan'ny FAT satria tena hanapotika tanteraka ny hoavy politikany izany ary hanaratsy endrika azy eo imason'ny sehatra iraisam-pirenena. Fehiny dia manomboka mifandanja ny hery ary tokana ny vahaolana dia ny fihaonan'ireo filoha efatra mirahalahy ihany, satria samy manana ampahan-kevitra mafonja amin'ny famahana ny krizy izy ireo. Ny vondrona hafa dia efa iaraha-mahita fa manara-drenirano fotsiny ka misafidy izay metimety aminy satria na mpanao politika avy nigadra, na efa tsy mahazaka vahoaka intsony, na ela tsy teo amin'ny fitondrana ka mba te hiditra anaty lisitra ny ankamaroan'izy ireo fa tsy misy tena maharesy lahatra ny Malagasy. Maro amin'izy ireo no nialokaloka tao ambadik'i Marc Ravalomanana tamin'ny 2002, ka rehefa tsy nahazo toerana na tombontsoa dia nanohitra fanjakana, dia nialokaloka tao ambadik'i Andry Rajoelina indray tamin'ny 2009. Ary ankehitriny dia mamorona vondrona politika sy manao fitaovana hahazoana seza ny fanaovana sonia ny sori-dalana indray izy ireo. Mety mbola haharitra ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin'ny krizy, fa indrindra moa raha tsy mihaona sy mifanazava ary mifanaraka tsara mihitsy ireo filohan'ny ankolafy lehibe 4.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.