Politique

Famahana ny krizy Aoka mba ho ity ny ezaka farany, hoy ny KMFB


  • Alarobia 14 Martsa 2012

Manantitrantitra ny KMFB (Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka), araka ny taratasy nalefan-dry zareo any amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ka hilatsaka hofidiana hanohy ny fampandrosoana rava noho ny fanonganam-panjakana ihany no antoka hahatsara ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara, ka manohana ny ezaka rehetra hahatongavana amin’izany ry zareo.

 Tafiditra amin’izany ny ezaka taon’ny Troika-SADC ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena hanatanterahana ny fampiharana ny tondrozotra hitondra fitoniana eto amin’ny firenena, sy izay ataon’ny fiarahamonim-pirenena, anisany ny FFKM, ho amin’ny fampihaoanana azy efatra mirahalahy eto an-tanindrazana hanitsiana izay vato misakana tsy hahatanteraka ny tondrozotra ho amin’ny tetezamita ifanarahana. Izao ezaka atao izao dia irian’ny KMFB ary teren-dry zareo mihitsy aza mba ho ezaka farany ary tena farany ho famahana ity krizy lavareny ity fa efa tena miaina anaty fahantrana sy fahoriana mangitsokitsoka ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa, ka noho izany dia mitaky ny hananganana hery hanaraka ny fanapahan-kevitra tapaka mba tsy hampandamoka ny tetika toy ny teo aloha intsony noho ny tsy fanajan’ny mpanongam-panjakana ny sonia nataony.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT