Fanararaotan’ireo kandida ho depiote rehefa akaiky fifidianana toy izao ny mampanantena fanamboarana na fanatsarana fotodrafitrasa ao amin’ny distrika ilatsahany.
Hita ho tsy tena fantatra sy tsy azon’ireo vahoaka an-tsaina rahateo ny tena asan’izany solombavambahoaka izany. Hany ka ireo vahoaka mihitsy aza no mangataka ireo kandida, eny fa na efa lasa depiote aza io avy eo, hoe mba amboary ny lalana na tetezana aty aminay. Maka ny hetahetan’ny vahoaka, mamadika izany ho lalàna ary manara-maso ny fampiharana izany, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko ABA raha fehezina ny asan’ny solombavambahoaka. Mpanao lalàna fa afaka mifandrimbona amin’ny vahoaka amin’ny asa sosialy kosa ny solombavambahoaka, hoy ny kandida ao Ambohidratrimo, Mamy Tsoa Razafindrazaka. Amin’ny ankapobeny, samy misy fahamarinany ireo, saingy ity resaka sosialy ity foana matetika no lasa fitaka ho an’ny vahoaka sy mahatonga ireo olom-boafidy tsy tena mahavita mamadika ny hetahetam-bahoaka ho lalàna satria zary halaim-panahy hisehoseho amin’ny fanaovana fotodrafitra madinidinika hanakonana ny tsy fahavitan’ny tena asa nampandraiketana azy. Mbola asa sarotra ho an’ireo ho depiote, indrindra, ireo tamana tamin’ny malety, araka izany izay famadihana ny hetahetam-bahoaka ho lalàna izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.