Miteraka adihevitra lehibe ny fahazoan’ny fanjakana Malagasy fampindramam-bola mitentina 6,4 miliara dolara sy ny fampiasam-bola mahatratra hatrany amin’ny 3,8 miliara dolara hataon’ireo orinasa goavana efa misy eto amintsika.
Tsy tena tompon’ny volany ireo orinasa vahiny ireo fa volan’ny fireneny no ampiasainy ka tsy maintsy mijery ny tombontsoam-pireneny izy, raha ny fanamarihan’ny mpahay toekarena Faly Ramakavelo. Ny ankamaroan’ny harena vokarina eto amin’ny firenena na ny harinkarena (PIB) dia eo am-pelatanan’ny vahiny, amin’ny alalan’ireo orinasa goavana toy ny Exxon mobile, total, orange … Ny vahiny no mbola mifehy ny harinkarena sy ny toekarena eto Madagasikara. Raha tsy isika no mifehy izany dia tsy azo lazaina ho mahaleotena i Madagasikara. Mila maka lesona isika satria nanomboka tany amin’ny fahazoana fahaleovantena no nahazoana trosa saingy mbola izao ihany ny fari-piainan’ny Malagasy. Tokony hisy ny ezaka amin’ny fitantanana mba tena hiteraka tombontsoa ho an’ny vahoaka. Tsy tokony hiditra trosa isika raha haintsika ny mitantana ny harentsika satria azo atao tsara ny mitrandraka izany ka havadika vola hampandrosoana. Re matetika ny hoe tsy mahafeno fepetra sy tsy mahafehy ny teknika ilaina ny orinasa Malagasy ka izay no tsy hahazoany ireny tsenan’asa maro eto amin’ny firenena ireny, izay mampahazo vahana ny vahiny. Anjaran’ny fanjakana no miady ho an’ny orinasa Malagasy sy mampianatra azy ireo, raha tena misy ny finiavana hampandroso sy hananana fahaleovantena ara-toekarena.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.