Politique

Fakon’Antananarivo Kaominina iza ao amin’ny OPCI Ikopa no handray azy ?


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Mazava ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Dr Ndahimananjara Johanita, momba ny fanariana ny fakon’Antananarivo tao Alasora fa vonjimaika ihany noho ny fanamboarana ny lalana fizoran’ireo kamiao mpanary fako eny Andralanitra.

 


Ny fanontaniana ilam-baliny amin’ireo Ben’ny tanàna miisa 56, mpikambana ao amin’ny  OPCI Ikopa (Organisme Public de Coopération Intercommunale Ikopa) dia ny hoe : iza taminareo no efa nametraka fangatahana handray ny fakon’Antananarivo mba hanodinana ilay orinasa hanao zezika sy hamokatra herinaratra ?

Mila fako an-jatony taonina isan’andro mantsy ny orinasa mamokatra herinaratra izany ka raha ny fako amin’ireny kaominina ambanivohitra ireny dia tsy maharaka manodina izany orinasa izany mihitsy. Ka ny ahiahy tsy ihavanana sao dia mba efa tetika maty paikan’ireo mpanao bizina izao fanariana ny fako eny Alasora izao ka raha mangina ny vahoaka dia tohizana tsy misy tomika ny fanariana ny fako mba handresy lahatra ireo mpamatsy vola. Tsy hanao sonia ny fifanarahana ara-bola rahateo ireo mpamatsy vola raha tsy hitany mazava ao amin’ny tetipanorenana ny lanjan’ny akora  fototra dia ny fako hanodinana ilay orinasa.

Tokony hahalala ny tena zava-marina ny vahoaka fa ny tenierana amin’ny fokonolona no mampahomby ny asa rehetra.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT