Politique

Fako nivangongo teto an-drenivohitra Voaporofo fa resaka politika


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Fiara vaventy miisa 35, daba fanariana fako 175, fanamiana sy fitaovana isan-karazany no natolotry ny fanjakana foibe ho an'ny SAMVA ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

 Fanomezana hanampiana ny SAMVA hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fandraofana ny loto sy fako miparitaka manerana ny tanàna. Nambaran'ny filoham-pirenena fa haverina eo ambany fiadidiana ny tanànan'Antananarivo ny fitantanana ny SAMVA izay efa rafitra mpiahy ity sampana ity hatramin'ny taona 2008. Ankoatra izay, hanomboka ny volana janoary 2020 hisy ireo fotodrafitrasa fidiovana sy fivoahana manara-penitra maro hatsangana manerana ireo firaisana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Nanjary resaka politika izy ity satria hita ho leo sy tofoka ihany ny vahoaka manoloana ny gaboraraka misy eto. Ny ivon-tanànan’Antananarivo dia voatondro fa tanàna faran’izay maloto indrindra eto ambonin’ny tany noho ireo fakony misavovona, ny rano malotony ary ny fofona maimbon’ny tatatra ivarinan’ny malotony sy ny ranonorana. Rehefa nahazo vato araka ny nantenainy Rajoelina teto amin`ny boriborintany enina nandritra ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina, tapa-kevitra fa hanala ny fako miavosa etsy sy eroa. Marihina hatrany fa efa nampiasaina nandritra ny hetsika Tagnamaro andiany faha-7 ireo « camions multibennes » lehibe tany Toamasina ireo. Maninona no izao vao natolotra ho an`ny SAMVA ? Sa kosa natao hanehoana fa tonga dia miasa sy mijery an’Antananarivo ? Hatrizay anefa ny nampiainana tao anatin’ny fako sy ny loto ny olona satria ninian’ny mpitondra tsy natao araka ny tokony ho izy ny anjara asany mba hanasoketana ny fiadidian’ny tanàna. Azony natao ihany izany fa niniana tsy natao, dia avy eo mody tonga masiaka mitondra vahaolana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT