Politique

Fakana ny tanin-dRavalomanana Hampihemotra ny mpandraharaha vahiny


  • Zoma 08 Aprily 2016

Omaly alakamisy no nanomboka nofefen’ny ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fotodrafitrasa ary ny fanajariana ny tany ny tany menabe etsy Andohatapenaka izay izingizinin’i Marc Ravalomanana fa fananany ara-dalàna.

 

 Ho an’i Faneva Raholdina  mpandalina politika dia  hampihemotra ny mpandraharaha rehetra, indrindra fa ny vahiny ny fihetsika tahaka izany, efa mpandraharaha mantsy Ravalomanana Marc ankehitriny,  hoy izy fa tsy mpanao politika. Ataon'ireo mpandraharaha vahiny ahoana no hatoky ny fanjakana tsy haka ny taniny raha hividy tany eto izy ka hanangan-javatra ? Antony iray mety hampitombo hatrany ny tsy fahatokisan'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena antsika  io,hoy izy. Matoa nanangana ny HVM ny fitondrana amin'izao dia tsy nety ny nataon'ny MAPAR, anisan'ireny ny fakana ny tanin'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nohamafisiny fa tsy misy afa-tsy ny fandaminan-javatra ihany no azo atao amin'ny maha ray aman-dreny sy zanaka ny roa tonta.  Tsy fiarovana be fahatany ny filoha teo aloha Ravalomanana akory no antony nanambarana izany fa ho tombontsoan'ny firenena Malagasy rahampitso, hoy izy.

 


 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT