Tonga niarahaba ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Rivo Rakotovao amin’izao taona vaovao 2020 izao ireo solotenan’ny Birao Nasionalin’ny Antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) ny 02 Janoary lasa teo.
Delegasiona izay notarihin’ny Sekretera Jeneraly Nasionaly Rachidy Mohamed sy ireo filoha isam-paritany , ary notronon’ireo loholona mpikambana ao amin’ny antoko. Fihaonan’ny mpiray antoko, fihaonana amin’ny Ray aman-dreny ihany ary fotoana izay nanamafisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona no sady Mpandrindra Nasionalin’ny antoko HVM ny adidy miandry amin’ity taona 2020, izay mifandraika ihany koa amin’ny hafatra fiarahabana nataon’ny filoha mpanorina Hery Rajaonarimampianina , tamin’ny lahateniny ny 1 janoary lasa teo.Mieritreritra hanatanteraka fihaonambem-pirenena fakan-kevitra ny antoko HVM.Izany dia natao mba hamoahana ny hetahetan’ny Malagasy sy ny eritreriny amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny fiarahamonina sy ny firenena amin’ny ankapobeny.Tsy any amin’ny fanomezan-tsiny intsony izao fa fikaroham-bahaolana, raha nyf omba fijerin’ny HVM.Hanohy ny fandraisana andraikitra efa nataoko teto amin’ny firenena aho hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina tamin’ilay lahateniny.Manamafy izany i Rivo Rakotovao, tsy mbola nisy daty kosa anefa na dia fantatra aza fa efa mihetsiketsika ny HVM isam-paritany sy isam-paritra.Ity antoko ity izay tena mbola manana ny olony na dia nangiangiana izay aza teo aloha teo, misy ny fotoana hanginana fa misy koa ny fotoana tsy maintsy hitenenana ka ho avy amin’izay izany ry manga kravaty.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.