Variana ny tenako fa toy ireny olona tena nahay nitantana sy tsy nihoson-dra tanana ireny ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny antoko Teza,
Jean Louis Rakotoamboa. Raha miverina miresaka ankehitriny kanefa dia fahotana mahafaty no vitany teto amin’ny firenena. Fahotana mahafatiny voalohany ny fanonganam-panjakana. Firy moa ny olona maty sy may ary voaroba tamin’ireny 26 janoary sy 7 febroary 2009 ireny, hoy ny tenany. Ny tena mampalahelo dia efa taonjato faha-21 isika izao kanefa dia mbola misy olona toy ireny ihany izay vitan’ny frantsay ny manao fitaovana azy hamotika firenena. Maherin’ny 500 tapitrisa dolara no vidina andramenantsika lasan’ny olona any ivelany, raha tsiahivina, ny tarehimarika navoakan’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny fotoan’androny saingy nankaiza ? Fahotana mahafatiny faharoa ny fatipatina lalàmpanorenana lany tamin’ny karnem-pokontany sy ny fandokafana an’i Hery Rajaonarimampianina. Niaraka ireo tamin’ny tetezamita. Tsy vitan’ny fifonana kely tsy misy dikany izany, hoy hatrany izy. Amiko dia sady mpamono olona izy no mpandainga. Nisy fotoana koa raha tadidintsika izy hoe ho any Quatar hitady solika. Sao dia nanokatra kaonty tany Dobay satria raha tsaroana dia saika tany daholo no voalaza fa naondrana ireo trafika rehetra teto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.