Nampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ihany ny nahita ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, matetika mandeha irery tao ho ao,
isaky ny misy fivoahana ataony eto an-tanindrazana, indrindra indrindra. Maro ireo mahatsikaritra fa tao anatin’ny vanimpotoana nipoiran’ny aretina pesta teto amin’ny firenena no niady irery hatrany ny filoham-pirenena ary na ilay rafitra ara-tsosialy izay tantanan’ny vadiny nandrandraina ho tena nahetsika noho ny toe-draharaha mamaivay misy aza dia tsy hita popoka ihany koa. Tsy tonga tamin’ny ora farany, ohatra, ny vadin’ny filoham-pirenena, nandritry ny fahatsirovana ny faha-100 taonan’ny toeram-pandevenana ireo lavo an’ady tany Antsiranana ny alarobia teo. Satria ve toerana ahiana hisy pesta iny faritra iny ? Matetika anefa rehefa misy fivoahan’ny filoham-pirenena any ampitandranomasina dia io Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Hita taratra, araka izany, ny tsy fifankahazoana eo amin’izy roa. Ny zava-misy taratra eo amin’ny tontolo politika maneran-tany dia saika miankina amin’ny fifankahazoana eo amin’ny filoham-pirenena na mpitondra fanjakana mivady hatrany ny fizotry ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Heverina fa tsy adala ny filoham-pirenena amerikanina teo aloha, Barack Obama, raha nanambara tamin’ny vadiny, Michel Obama, tamin’ny fotoan’androny fa tsy vadiko fotsiny ianao fa sady mpanolotsaina manokako ihany koa. Any Frantsa, samy resy lahatra ny rehetra fa nanana anjara toerana goavana tamin’ny fandrafetana ny paikady naha filoham-pirenena ny vadiny Rtoa Brigitte Macron. Ny an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, moa dia nataony ofisialy ho mpanolotsaina manokana azy mihitsy ny vadiny, Marc Ravalomanana. Tena tompon’andraikitra amina fahombiazana na tsia eo amin’ny fitantanana mpitondra iray, araka izany, ny vadiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.