Tsy ara-dalàna ary mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana raha io fahefany io no hametrahany governora, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fahefana nomena ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay sady ho mpanao lalàna no mpanatanteraka.
Raha misy zava-dehibe tokony hovana ao anaty rafi-panjakana dia mila ravana mihitsy ny lalàmpanorenana fa tsy ahitsy fotsiny, hoy ny tenany. Tsy afaka hihoatra an’io fefy io dia ny lalàmpanorenana ny filoham-pirenena. Tokony hofaritana koa ny fifaranany. Ny lalàmpanorenana no faratapony amin’ny lalàna. Raha misy zavatra avoakan’ny filoha ka tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana dia manitsaka azy izay. Na inona na inona didy hitsivolana avoakany ka tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana dia tokony ho foana, hoy izy. Azo toriana any amin’ny fitsarana avo na HCJ ny filoham-pirenena raha manao izany. Tsy tokony hajanona ela io fahefana io fa sao dia misy fanararaotam-pahefana. Ny HCC dia mbola afaka mitsara hoe tsy ara-dalàna io satria tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, hoy hatrany, ny mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.