Tsy azoazo foana fa misy takalony ilay famatsiam-bola FEC (Fond Elargi de Crédit) avy amin’ny tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI.
Tsy maintsy hatsaraina ny fitantanam-bolam-panjakana, ampitomboina ny vola miditra ary fehezina ny vola mivoaka. Afantoka bebe kokoa amin’ny lafiny ara-tsosialy ny fandaniam-bola, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-pirenena Befeno Jean Pierre omaly. Tsy maintsy ahena ny vola hanohanan’ny fanjakana ny Jirama koa raha 300 miliara ariary isan-taona izany ankehitriny dia ampidinina ho 250 miliara ariary amin’ny 2017 araka ny efa hita ao anatin’ny tetibolam-panjakana, tsy maintsy karohana ny hevitra hahafahan’ny Jirama mamelon-tena tsikelikely ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa ary tsy maintsy hitohy ihany koa ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy ny rano. Ezahana hatsaraina koa anefa ny kalitaon’ny asa hanomezana fahafahampo ireo mpanjifa. Ahena toraka izany ireo fandaniam-bola mavesatra ho an’ny fanjakana, ary irosoana ny fanamboarana fotodrafitrasa antoky ny fampandrosoana ny firenena, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-pirenena. Hentitra dia hentitra, araka izany, ny fepetra napetraky ny FMI mba hahazoana io sombintsombina famatsiam-bola amin’ny alalan’ny FEC io. Ho hita eo ny fahamatoran’ny fitondram-panjakana hanatanteraka izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.