Politique

Fahazoana 4x4, vola amin’ny malety.. Miresaka ireo depiote


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety tamin’ny herinandro lasa teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy,

Rakotomamonjy Jean Max, fa mahazo manala « traite » amin’ny fividianana fiara 4 x 4 ireo solombavambahoakan’i Madagasikara rehetra am-perinasa ankehitriny ka ny fitondram-panjakana dia mijanona ho « facilitateur » fotsiny ihany miantoka ny fahazoan’ireo depiote izany any amin’ny « concessionnaire » finidiny. Manoloana izany dia mandeha ny feon’ny mpanara-baovao ety ivelany fa mandeha indray ny fanambazana an’ireo depiote amin’ny resaka 4 x 4 ankehitriny ka mety hitarika ny fanaovan’ireo depiote « oui » « oui » amin’ny fifandraisana amin’ny mpitondra fanjakana indray izany ka mety ho sarotra amin’izy ireo ny hanatanteraka ny asa fanaraha-maso fanaony amin’ireo mpanatanteraka. Manoloana izany dia samy manana ny fanehoan-keviny ireo depiote tafaresaka nivantana tamin’ny Tia Tanindrazana.

Depiote Randriamahefa Henri Charles voafidy tany Moramaga : “Tamin’ny andro nitondran’ny Pr Zafy Albet dia antsasa-bola nividianana izany fiara izany no nalohan’ny depite fa ny fanjakana ny niantoka ny antsasany. Nitovy tsy nisy valaka amin’izany ny tamin’ny andro nitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny 1998. Tamin’ny fitondran’Atoa Ravalomanana indray  dia nomena an’ireo depiote tsy naloa vola izany 4 X 4 izany. Amin’izao fitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao dia izahay depiote no mividy izany fiara izany manontolo fa miahy ny fahazoana izany fotsiny ny fanjakana ka tsy hisy fiantraikany  amin’ny toe-bolam-panjakana velively ny fividianana izany. Isaorana ny fanjakana sy ny praiministra amin’izany fa hitohy ny fanampianay ny vahoaka amin’ny famonjena marary sy fitondrana razana na fitaterana azy ireo hamonjy tsena lavitra aza. Diso araka izany ny fanamarihana misy fa vao mainka aza afaka manara-maso ny fanatanterahana asa ataon’ny mpantanteraka  ny ho fahazoanay 4 x 4 ato ho ato”.

 

Depiote Rasoanoromalala Horace voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 Tanà : “Droit anay depiote ny mahazo fiara 4 x 4 tsy mataho-dalana mba hoentina mamita ny asa nifidianan’ny vahoaka anay sy hamitana izay hahasoa an’izany vahoaka izany. Ny andraikitra amin’ny maha-solombavambahoaka ny tena dia ny fanaovan-dalàna sy fanaraha-maso ny asa ataon’ireo mpanatanteraka dia tsy maintsy tanterahina mandrakariva ka tsy marina ny hoe : ho fanambatambazana ny solombavambahoaka io famelana azy ireo hividy fiara 4 x 4 io fa tsy maintsy ataonay izay hitsijonvana mandrakariva ny filaminan’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ka aleo ho avy ny fahazoana izany 4 x 4 izany dia ho tsarain’ny vahoka amin’ny ataonay eo izahay solombavambahoaka”.

 

Depiote Razafintsiandraofa Jean Brunel voafidy tany Ikongo : « Efa  ho iray volana sy tapany aho izao no aty Ikongo ka tsy dia naharaka firy ny fivoaran’ny vaovao misy eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny fa variana mikarakara vahoaka ka tsy dia mahalala ny amin’ny mety ho fahazahoanay solombavambahoaka an’izany fiara 4 x 4 izany. Azoko ambara kosa anefa fa tsy dia zava-baovao loatra izany fahazoan’ny depiote 4 x 4 izany ary ny fahazoana na tsy fahazoana izany dia tsy hisy fiantraikany eo amin’ny asa fanarahanay maso ny asa tanterahin’ireo any amin’ny mpanatanteraka fa izany dia efa natao hatramin’izay ka hatramin’izao”.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT