Valin-teny feno eso no nasetrin'ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina taorian'ny fikasan'ny ankolafy Zafy Albert hanatitra voninkazo teny amin'ny Kianjan'ny demokrasia ny 17 janoary 2012 ho fahatsiarovana ny faha-3 taona nanokanana ity Kianja ity ho kianjan’ny demokrasia sy ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy noho ny fiarovana ny ara-drariny sy ny ara-dalàna teto amin'ny firenena.
Nambaran'ny filohan'ny tetezamita tamin’izay fa misy fotoana tokony hanaovana izany, ary eny amin'ny tsangambato natokana ho an'ireo Mahery fon'ny 29 martsa koa no tokony nanaovana izany. Mahagaga anefa tato anatin'ny herinandro izao fa natao totoafo mihitsy ny dokam-barotra sy serasera momba ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009, ary na ny horonantsary alefa amin'ireo haino aman-jery samihafa aza, dia tena mampatahotra sy mampihorin-koditra tokoa.
Vao tsy ela akory anefa izay ny minisitry ny serasera no nanao antso avo tamin'ny mpampahalala vaovao ny tsy maha mety ny hamoahana ireo sary mamoafady na mety hanafintohina. Dia tena mahagaga ny zava-misy, fa rehefa naratra na maty tamin'ny 7 febroary 2009 ve zany dia omen-danja kokoa, noho ireo namoy ny ainy sy nitondra takaitra nandritra ny fitondran'ny FAT ? Afaka jerena ny salanisa, fa maro lavitra noho ny maty tamin'ny 26 janoary 2009 sy 7 febroary 2009, no maty tao anatin'ny telo taona nitantan'i Andry Rajoelina ny firenena, noho ny fahasahiranana sy ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 martsa 2009 sy ny vokatry ny ataon’ny herimpamoretana ihany koa. Ka maro be ihany noho izany ireo olom-pirenena tsy mankasitraka mihitsy ny hanindraindrana be loatra ny datin'ny 7 febroary, nanafihana faritra mena, misy lapam-panjakana.
Fa raha samy hampiseho ny zavatra tsy nety nataon'ny mpitondra ihany, dia aleo mba dinihina sy atao anaty lisitra mihitsy aloha ny tsy fahombiazana rehetra nataon'ny FAT, dia ho hita eo ny manaraka, fa tahaka ny tsy mety kosa ilay mizana tsindrian'ila : natao tahaka ny tsy nisy ny fahavoazan'ireo orinasa sy mpandraharaha tra-doza sy very fananana tamin'ny 26 janoary 2009, odian-tsy hita ireo nigadra, naratra, nitondra takaitra nandrindra ny fitondran'ny FAT, efa ho 3 taona izao, kanefa omen-danja sy hanaovana lanonam-panjakana ofisialy ny fahatsiarovana ny datin'ny 7 febroary nanafihana ny lapam-panjakana teo Ambohitsorohitra, dingana tsy maintsy nolalovana tamin'ny fandrodanana ny fitondrana Ravalomanana. Nanoratra taratasy mitantara ny nanomanana faramparany ny paikady mikasika azy iny teny Ambatobe teny, ny 06 febroary 2009, ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay komandà tamin’izany fotoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.