Politique

Fahatsiarovana ratsy tamin’ny naha depiote Ny voina nanjo ny mpiara-mitolona, hoy ny depiote Rasoanoromalala


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Amin’ny maha solombavambahoaka ny tena, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha-6, Horace Rasoanoromalala, dia saika isan’andro nandray fitarainana avy amin’ny vahoaka tao an-tokantrano foana tao anatin’izay 5 taona izay.

 

 

Tsy latsaky ny 10 isan’andro ireo olona tonga mitaraina, hatramin’ity datin’ny 5 febroary izay fiafaran’ny taom-piasanay ity aza (TTF : Omaly) dia mbola nisy izany. Afa-po tamin’ny fandraisana azy ireo aho, hoy ny tenany, satria dia saika nahitana vahaolana avokoa ireo olan’ny mponina na teo amin’ny lafiny fianaran’ny ankizy, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny maro hafa. Tsy nijanona tamin’ny maha mpanao lalàna fotsiny ny tena fa nanampy ny mpiara-belona ihany koa. Ny taona 2018, ohatra dia antsasa-taonina ny masomboly nozaraina ka nahazo 10 kapoaka avy ireo mponin’Ambohimanarina ary vokatra ny vary. Fahatsiarovana tsara ihany koa ny nahita ireo ray aman-dreny sahirana saika tsy afaka nampiana-janaka efa ho an-jatony saingy noho ny tolo-tanana avy amin’ny tena dia voavaha ny olana. Fahatsiarovana ratsy ny fahafatesan’ny zana-drahavavy nandritra ireny tolona teny amin’ny 13 mey ireny noho ny fitiavan-tanindrazana. Anisan’izany ny mponina miisa 2 tsy nahatsiaro tena tampoka ary naiditra hopitaly mihitsy satria tsy araka ny nanampoizany azy ny tsy fahatomombanana nitranga tamin’ny fifidianana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT