Politique

Fahatsiarovana ny 7 febroary Tsy tonga i Beriziky, tsy nampiraika ny olona !


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Tsy mba anisan’ireo vahiny nanatrika ny lanonana fahatsiarovana ny 7 febroary sy fanaterana voninkazo teo amin’ny tsangambaton’ireo maherifo nanafika lapa, teny Ambohitsorohitra omaly, ny praiminisitra Omer Beriziky.

 Mbola manaporofo hatrany ny tsy fifankahazoana eo amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo ihany izany, ary ahafahana milaza fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny tetezamita satria tsy mifankahazo ny filoha sy ny praiminisitra. Tsy tazana teny an-toerana ihany koa i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, izay mazava be ihany koa fa tsy dia mamy hoditra loatra amin’ny filohan’ny tetezamita. Filohana andrim-panjakana roa be izao izany no tsy tonga teny an-toerana. Mazava ho azy moa fa nanatrika ny lanonana omaly ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Dolin Rasolosoa izay anisan’ny nitarika ny olona hiaka-dapa tamin’io sabotsy 7 febroary 2009 io niaraka tamin’i Monja Roindefo sy i Sareraka, saingy samy tsy hita popoka moa izy ireo fotoana fohy mialoha ny nanombohan’ny tifitra. Tazana teny Ambohitsorohitra kosa omaly ireo nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana dia Atoa isany Yves Aimé Rakotoarison, Riana Andriamandavy VII, Vyvato Rakotovao, Emile Ratefinanahary... Ireto farany izay niara-nivory tamin’ny TGV sy AV7 tetsy Anosikely hatrany tamin’ny faran’ny herinandro teo, nanomana ity hetsika ity, ka tsy mahagaga.

Tsy tazana nanangasanga teny kosa i Mialy Rajoelina, vadin’ny filohan’ny FAT. Fa araka ny fahitana azy koa dia tsy dia nahazo olona maro loatra ity hetsika fahatsiarovana ny 7 febroray ity na dia efa tena natao totoafo mihitsy aza ny dokambarotra tamin’ny haino aman-jery sy tamin’ny gazety mpiseho isan’andro. Efa maridrefy sahady amin’ny fihenan’ny olona manara-dia an’i Andry Rajoelina izany ary tsy mahagaga ny FAT raha tsy sahy mampiditra an’i Marc Ravalomanana eto, satria tena mivandravandra be mihitsy izao izay mbola mahazaka vahoaka eto !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT