Politique

Fahatsiarovana ny 7 febroary Nodian-dRajoelina fanina


  • Alatsinainy 08 Febroary 2016

Maivana dia maivana, nangina, tsy nahasarika olona firy ny fanaterana fehezam-boninkazo teny Ambohitsorohitra ho fanamarihana ny faha-7 taonan’ny 7 febroary 2009

 

. Ireo mpanao politika vitsivitsy tahaka an-dry Alain Ramaroson sy ry depiote Naivo Raholdina no nitarika andian’olona teny an-toerana nametraka voninkazo teo amin’ilay tsangam-bato naorin’ny tetezamita manatrika ny lapan’Ambohitsorohitra. Hentitra dia hentitra moa ny fitandroana ny filaminana nataon’ny emmo reg teny Ambohitsorohitra sy ny manodidina io omaly io. Samy tsy tazana teny an-toerana omaly na i Bôna filoha mpitarika ny fikambanana AV 7 amin’izao fotoana na i Andry Nirina Rajoelina izay mpitarika voalohany ny fihetsiketsehana tamin’ny 2009. Na ireo olona tonga teny an-toerana aza dia gaga sy hendratrendratra ihany rehefa nahafantatra fa lasa any Toliara, hono, fa hoe hanatitra fanampiana ho an’ireo olona kere ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Nandeha ny adihevitra. Tao no nilaza fa hoe :f’angaha tsy maintsy natao ny andron’ny alahady 7 febroary mihitsy ilay fitsidihana tany Toliara ? Nisy kosa no nahitsy fitenenana ka nilaza fa tsy te hifampikasokasoka intsony amin’io resaka 7 febroary io i Andry Rajoelina koa dia niala ilany, araka ny fomba fiteny. Nanakiana mafy ny filohan’ny AV 7 i Alain Ramaroson. Mety niteraka takaitra ka nahavoa kely ny sainy angamba ny bala nahavoa azy tamin’ny 2009, hoy i Alain Ramaroson momba ny filohan’ny AV 7 am-perinasa ka naleony nifety sy namono omby toa izay hiaraka amin’ireo niara-nitolona aminy tety Ambohitsorohitra. Fito taona aty aoriana izany dia mibaribary fa efa nipatitaka tanteraka ny mpanao ny revôlisiônina volom-boasary, nanongam-panjakana tamin’ny 2009.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT