Politique

Fahatsiarovana ny 10 aogositra Miha mangatsiaka hatrany


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Miha dila hatrany arakaraky ny fivadibadiky ny taona ny fahatsiarovana ny diaben’ny fahafahana natao ny 10 aogositra 1991.Lohandohan’ny mpisorona nitarika ny Herivelona vory maro be teo amin’ny kianjan’ny 13 mey hihazo ny lapam-panjakana Iavoloha tamin’izany fotoana ry Pastera Richard Andriamanjato, Atoa isany Daniel Ramaromisa, Alain Ramaroson, Zafy Albert…

 

Mbola adihevitra tsy mety vita hatreto hoe am-polony ve sa an-jatony ny olona maty teny Iavoloha.Inona ny tena marina momba ilay elikoptera nandatsaka zavatra mipoaka, ahoana ireo fipoahana namono olona teny an-tanimbary.Iza marina no nanome ny baiko.Nanizingizina ny amiraly Didier Ratsiraka fa tsy nanome baiko ny tenany ary tsy misy andraikiny na dia kely monja aza momba ny fahafatesana syfaharatrana olona teny Iavoloha tamin’io sabotsy 10 aogositra 1991 io.Tsy nisy rahateo moa ny fanadihadiana lalina momba iny raharaha iny hatramin’izao fa dia lasa dosie mipirina tahaka nyraharaha Ratsimandrava  sy kung fu ary ny nahafatesan’ireo manamboninahitra maro nitaingina ny fiaramanidina DC 3 nisy ny contre-amiral Sybon Guy ny raharaha.Tsy nisy feo heno mihitsy na fampahafantarana mikasika izay hetsika mba hanamarihana izany daty naha latsa-drà sy nahavery aina Malagasy maro tamin’ny 26 taona lasa izany. Ny fahatsiarovana ny tolon’ny taona 1947 sy ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena isaky ny 26 jona ihany sisa ity no ezahana ampanakoakoana isan-taona. Mampatsiahy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika sasany izay milaza fa fahaleovantena nomen’ny Frantsay ny 26 jona 1960 ary hetsika namandrihan’ny mpanjanaka ny Malagasy ihany koa no nitranga tamin’ny 29 martsa 2017 ka tsy mahagaga raha izy ireo mihitsy no mihezaka manao izay tsy hahafaty izany ao an-tsain’ny Malagasy ankehitriny. Tanjona tokoa ve ny hahatongavana amin’ilay fanehoan-kevitry mpandinika hoe atao izay hahavery tantara antsika mba ho ratsy fiafara ?


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT