Tonga omaly antoandro eto Madagasikara ny iraky ny Troika-SADC tarihin’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Marius Fransman.
Fiaramanidina manokana, irony mpitondra entana irony, no nitondra ny delegasiona avy atsy Afrika Atsimo, izay ahitana tompon’andraikitra Tanzanianina sy Zambianina. Telo andro no haharetan’ny dian’izy ireo eto. Eo ny fitondrana fanampiana ho an’ireo traboina tamin’ny rivodoza nifanesy, izay efa nisy natolotra teny Anjezika I omaly tolakandro ny ampahany tamin’izany. Fa ny votoatiny dia ny hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ny fandrafetana ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka, izay fototry ny adihevitra amin’izao fotoana izao. Efa nisy delegasiona manampahaizana manokana momba ny lalàna avy amin’ny SADC rahateo, tonga eto hatramin’ny alahady, nialoha lalana azy ireo hikaon-doha amin’ny mpahay lalàna Malagasy sy ireo ankolafy nanao sonia ny tondrozotra mikasika izany ary efa totoafo ny fihaonana hatramin’ny alahady no ho mankaty. Rahampitso no heverina hahavitan’ny drafitra mikasika io lalàna momba ny famotsoran-keloka io ka haroso ny governemanta.
Ity farany indray no handrafitra azy hanana endrika volavolan-dalàna mialoha ny handefasana azy hankatoavin’ny Parlemanta. Izay kisary izay no milaza tsy hamela an’i Madagasikara ho fefika ao anatin’izao krizy izao ny Vondrona SADC. Ny fahombiazan’ny SADC, izay nanankinan’ny Vondrona Afrikanina ny asa fanelanelanana hitadiavam-bahaolana amin’izao krizy eto Madagasikara izao, rahateo dia midika ho fahombiazan’i Afrika manontolo na eo aza ny fitsambahan’ny Frantsay amin’ny raharahan-tokantranon’i Afrika, izay nivandravandra raha ny teto Madagasikara. Tao ambadik’izao krizy izao mantsy ny Frantsay. Efa namaky bantsilana izany ireo izay efa nivadika tamin’i Andry Rajoelina, toa an’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, fa Karana, mizaka ny zom-pirenena frantsay, ny ankamaroan’ireo nanohana ara-bola mivantana ny hetsika fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Tambin’izay, dia tsy nisy nikitika ary tsara aro aza ny tranombarotr’izy ireny mandraka ankehitriny. Ny 18 martsa 2009, ampitson’ny raharaha Episcopat nitohy teny amin’ny CAPSAT Soanierana, dia efa nigadona teto ny ambasadaoro frantsay vaovao, Jean Marc Châtaigner, ary ny 19 martsa 2009 dia efa nitsidika ara-pomba fifananjana an’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra. I Jean Marc Châtaigner no diplaomaty vahiny voalohany nanao izany, ary izy koa no ambasadaoro vahiny voalohany nanolotra tamin’i Andry Rajoelina ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’i Frantsa hiasa eto Madagasikara, teny Iavoloha, ny 10 novambra 2009.
Mbola tao amin’ny tranon’ny masoivohon’i Frantsa eny Ivandry koa no nanafenana na niafenan’i Andry Rajoelina raha hosamborina izy ny 10 martsa 2009. Totoafo ny fandefasan’iraka avy amin’ny Vaomieran’ny ranomasim-be indianina na COI teo koa ny an’ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na OIF, manao ankisisika hanao fanelanelanana na dia efa nankinin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny SADC aza izany. Tamin’ireo dia rehetra nataony tany Eoropa sy Etazonia dia nijanona kely, (mandray toromarika ?), ao Frantsa i Andry Rajoelina. Nandritra ireo dinika an-tampony nikatsaham-bahaolana notarihin’ny SADC na tany Maputo, na teto Antananarivo, na tany Pretoria, na tany Gaborone … dia teny hatrany ny aloka frantsay. Tanjona ao ambadik’izany ny hanilihana tanteraka an’i Marc Ravalomanana amin’ny sehatra politika eto Madagasikara.
Nihazakazahan’ny Frantsay manatevina ny fiaraha-miasa ara-tafika tamin’i Madagasikara, ka nanomezany fanampiana ho tambin’ny fisian’ireo miaramila frantsay any anaty toby miaramila Malagasy samihafa any. I Frantsa no firenena voalohany nankato ka nampiditra an-dapa tao Elysée an’i Andry Rajoelina ny 7 desambra 2011. Nanara-drenirano ry Torkia, Sénégal, Maurice, Kaomôro, … izay firenena misy ifandraisany amin’i Frantsa avokoa. Hita ho tsy hanaiky lembenana anefa ny Afrikanina amin’ny alalan’ny SADC, na eo ihany aza ny fahalemeny. Adin’i Frantsa sy Afrika, araka izany, ity fandaminana ny krizy eto Madagasikara ity. Ny fahombiazan’ny SADC rahateo dia fahombiazan’i Afrika sy i Madagasikara, hialana eo ambany vahohon’ny mpanjanatany.
Jean D.
Sary : Marius Fransman, lehiben’ny iraky ny Troika-SADC
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.