Politique

Fahatongavan’i Dada Raikitra fa alohan’ny 29 febroary


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

«Miverina tsy misy fepetra an-tanindrazana ary tsy azo samborina i Marc Ravalomanana».

 Izay ny ampahany tamin’ny tapaky ny Troika-SADC tamin’ny fihaonana maika natao tatsy Pretoria Afrika Atsimo teo amin’ireo ankolafy malagasy sy ireo mpanelanelana avy amin’ny Troika, araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro omaly. Fahefam-pitsarana tsy mahefa no nitsara ny filoha Ravalomanana, mitanila, hoy ihany izy. Araka izany dia tsy mila famafan-keloka ny tenany. Raha ny vaovao nampitaina ihany dia pitsopitsony madinika sisa no alamina ka tombanana tsy hidila ny 29 febroary 2012 ny hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana.

Ankoatra izay, anisan’ny toromarika azon’ny praiminisitra Beriziky izay voaantso tany Pretoria ary tafaverina omaly, ny tokony handraisany andraikitra. Milaza ny hanara-maso ity lehiben’ny governemanta ny Troika, raha ny fampitam-baovao ihany. Araka ny fanazavana dia ingahy Beriziky no fantatry ny Troika satria izy no praiminisitry ny marimaritra iraisana amin’izao tetezamita izao. Amin’ity anio ity moa no hiverina eto an-toerana ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, tarihin’i Mamy Rakotoarivelo ka hihazo avy hatrany ny Kianjan’ny Magro izy ireo hizara sy hilaza izay fehin-kevitra sy votoatin’ny fivoriana natao tany Pretoria. Araka ny nambaran’i Zafilahy Stanislas ihany dia manana fotoana kely hanomanana ny fodian’ny filoha ny mpandala ny ara-dalàna raha telo andro monja no nanomanana ilay 21 janoary lasa teo iny.

Mazava ny resaka ho an’ity solombavambahoakan’i Vavatenina teo aloha ity. «Tsy maintsy miverina eto Ravalomanana ary averinay aminy ny fitondrana», hoy izy. “Any amin’i Dada ny hery amin’izao”, hoy ihany izy nanamafy. Na dia tsy tonga aza izy tamin’ny sabotsy dia nampihazakazaka ny rehetra ho any Afrika Atsimo izany. Samy mahafantatra, hoy ihany ity mpanao politika ity, fa raha mbola mpanao politika sy mpandala ny fiarahamonina dia porofo ireny tamin’ny sabotsy ireny fa tsy misy hery intsony ireo mitondra amin’izao fotoana izao fa anarana sisa. Tsy maintsy apetraka eto Madagasikara ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika eto amintsika satria ny tanindrazana tsy azo amidy na atakalo. Efa fantatra hatramin’izay, hoy izy fa i Frantsa no ambadiky ny fankahalana ny filoha Marc Ravalomanana izay vonona hanavotra ny firenena tsy ho azon’ny fanjanahana intsony. Iny sabotsy iny, hoy ihany i Zafilahy Stanislas no nahalalan’izao tontolo izao fa tsy azo tsinontsinoavina i Marc Ravalomanana na dia teo aza ny fanakanana sy ny fampitahorana natao ireo mpomba azy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT