Politique

Fahatongavan-dRatsiraka Lesoka ny harofenitra sy ny fanomanana


  • Zoma 25 Novambra 2011

Sivy taona mahery taty aoriana, rariny raha be olona sy hifanotofan’ireo mpanao gazety ny fitsenana an-dRatsiraka, indrindra tsy olonolom-poana izy fa filoham-pirenena nolaniam-bahoaka nody avy any an-tsesitany.

 Tsy nahagaga, araka izany, raha be olona sy mpanao gazety maro no tonga teny Ivato tamin’ny fotoana nahatongavany. Tokony ho niomana ireo mpikarakara saingy tsy izany no niseho. Raha hitafa ho an’ny mpanao gazety ity filoham-pirenena teo aloha ity izay efa reraky ny dia nandritry ny ora folo mahery dia navoaka tety an-tokotanin’ny trano fandraisam-bahiny, nibatana seza ary nitampify difotry ny fakan-tsary sy olona ary ny fanamafisam-peo. Rehefa nidrikina ireo mpanao gazety satria tsy mahavita ny asany ara-dalàna, izay vao naverina niditra an-trano ingahy Ratsiraka. Saika raikitra mihitsy moa ny fifamaliana. Tsy azo hadinoina fa filoham-pirenena ary mbola mizaka io zo io ingahy Ratsiraka. Tsy mendrika loatra ho an’ny olo-manankaja toa azy sady raiamandreny ny toy ireny. Iaraha-mahalala koa ny tsy fahasalamany na dia niseho ho natanjaka aza ny amiraly izay nanao paompy tsy latsaky ny 30.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT