« Aiza ho aiza isika malagasy ankehitriny amin’ny fanajana ny hasin’ny aina amin’ny fanajana ny hasin’ny olombelona ?”,
hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana malagasy, Gerard Ramamimampionona, manoloana ny fitsaram-bahoaka sy vono olona mahatsiravina miverina mirongatra ankehitriny. Ny rehetra dia tompon’andraikitra daholo satria saika olona mifanakaiky toy ny mpivady, mpirahalahy, ray aman-dreny sy zanaka amin’izao no lasa mifamono. Miantso ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay ny CFM, hoy izy. Eo koa ny zava-mahadomelina sy tsy fandraisana andraikitra amin’ny fifehezana izany. Iza no manaparitaka azy ireny ? Ny fahasarotam-piainana tsy lalana mankankany amin’ny fifamonoana sy fangalarana. Tsy voatery hiara-dalana amin’ny fahantrana ny faharatsiana ary tokony hisy ny sazy marina. Izay rehetra tratra mivarotra na mifoka zava-mahadomelina sy mamono olona na mangalatra dia tokony hiezaka ny rehetra mandray andraikitra tandrify. Na fiangonana na sekoly na mpifanolo-bodirindrina mila miezaka mifandamina sy mifampiresaka amin’ny zava-misy fa tsy herisetra foana no hifamaliana eto. Mila fanabeazana toetsaina sy toe-po ahafahan’ny olona mifehy tena satria miha tafahoatra koa ankehitriny, hoy izy, ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena. Hisy moa ny atrikasa hifanotronan’ny CFM anio hatao ao Fianarantsoa handinihana ny fahafaha-mametraka ny fihavanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.