Anarana tsy zoviana amin’ny maro izany Faharo Ratsimbalson izany. Manamboninahitra miaramila nanana ny lazany na teo amin’ny resaka politika na ny fandriampahalemana, indrindra tamin’iny faritra Menabe iny, izay niasany telopolo taona.
Efa misotro ronono ny lehilahy, ary grady kolonely no eny an-tsorony. Nanaitra ny nilazany raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana izy fa “tsy mba nahazo na dia mariboninahi-pirenena iray aza, nefa nametraka mariboninahitra dahalo fony aho lehiben’ny Faritra Menabe”, hoy izy. Kandida tsy miankina (n°36) tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, tamin’ny 2013 i Faharo Ratsimbalson. Manomana ny firotsahan-kofidiany amin’ny 2018 izy izao, araka ny filazany. Fitetezana Fokontany, tsy mandalo fotsiny fa matory no anisan’ny paikadiny amin’izany. Solombavambahoakan’i Belo Tsiribihina nandritra ny fe-potoam-piasana telo i Faharo Ratsimbalson, efa voafidy Ben’ny tanàna tao ihany koa ary notendren’ny Fitondrana avon’ny tetezamita ho Lehiben’ny Faritra Menabe.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.