Tsy misy zava-banona intsony eto amin’ny firenena fa mena avokoa ny tondro rehetra.
Io no fanehoan-kevitry ny solombavambahoakan’i Belo sur Tsiribihina teo aloha, Faharo Ratsimbalison. Hamaly ny filan’ny Malagasy no anjara adidin’ny fanjakana, saingy tsy misy izany eto amintsika, hoy izy. Zavatra 7 no filana fototra ho an’ny vahoaka, saingy tsy misy na iray aza mandeha amin’ny laoniny sy mahafa-po, ka izay no antony nilazany fa mena avokoa ny tondro rehetra. Ny rano sy jiro, an-kavitsiana no misitraka azy. Ny fanabeazana lasa bizin’ny mpitondra. Ny fahasalamana raha vao marary dia manomana vatam-paty. Ny resaka sakafo, mba tsemboka ihany ny vahoaka fa tsy mahita harapaka, kanefa ny sasany mibizina sy manao kolikoly any anaty birao dia milamina. Ny resaka trano sy fonenana efa zara raha mahita hisitrihana ny olona. Ny tsy fananan’asa tsy hita intsony izay hilazana azy. Ny Malagasy 22 tapitrisa ve no handrasana hamorona asa ho azy amin’izao toe-javatra misy eto izao ? Ny mangalatra no asa mora indrindra, ka tsy atao mahagaga raha mirongatra ny tsy fandriampahalemana, hoy izy. Ary farany ny resaka lalana, izay potika tanteraka, kanefa singa iray manamora ny asa fihariana. Momba ny fireharehan’ny filoha sy ny fanjakana amin’ny fisokafana amin’ny vahiny, toy ny Sinoa, Tiorka na ilay resa-bola 10 miliara dolara tany Frantsa, dia tsy hita izay vokany. Mivezivezy no lahasan’ny filoha matoa tsy mahavaha ny olan’ny Malagasy akory, hoy i Faharo. Hitondra fanazavana sy fanehoan-kevitra mafonja kokoa ao amin’ny “Vahaolana”, fandaharan’ny onjam-peo Top Radio, FM 102.8 ny tenany rahampitso alahady 17 septambra tolakandro manomboka amin’ny 1 ora.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.