Ao anatin’ny firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany isika, hoy ny Gasikara Tanindrazana Lovasarobidy na ny GTL izay tarihin’ny filohany Jules Andriamaholison, tetsy amin’ny Radama Hotel Isoraka omaly.
Toy ny tamin’ny ady lehibe faharoa, hoy ity filoha ity, ny fahapotehana hita ka ny drafitra nitovy namahana olana tamin’izany no heverina fa afaka hamaha ny olantsika ankehitriny. Nampahafantarina omaly ary ny antsoina hoe Plan Marchall Gasy na ny PMG izay ho atolotr’ity vondrona politika ity ny filoham-pirenena. Isan’ireo vahaolana voarakitra ao anatiny ny fitadiavana fampidiram-bola aingana avy ato anatiny, toy ny famarotana am-pangaraharahana ny andramena, ny fananganana banky Malagasy ho an’ny fampandrosoana ary ny famerenana amin’ny Malagasy ny fitantanana ny solitany. Tokony ho 20 fa tsy 32 intsony no isan’ny minisitra, hoy izy ireo, ary hajanona ny fandanindaniam-poana rehetra satria efa tokony ho vitan’ny filan-kevitry ny fampihavanam-pirenena, ohatra, ny asan’ny antenimieran-doholona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.