Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.
Namaly ny CENI rehefa misy ny kandidà nangataka fampitahana ny lisi-pifidianana izay nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo sy ny lisi-pifidianana izay nosoniavin’ny mpifidy farany teo. Raha hazavaina tsotra dia nanambara ny CENI ny amin’ny hoe tsy manampahefana hiroso amin’ny fikitihana ny fampitahana ny lisi-pifidianana izany satria dia hoe saropady izany. Koa maninona nosokafana sy nokitihina ilay lisi-pifidianana, izay efa nofaranana ny 15 mey lasa teo, ny volana jolay teo ? Io lisitra io anefa no voatondro fa nentina nanatanterahana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly farany teo. Lisitra izay efa tsy azo kitihina sy sokafana intsony, araka ny voatondron’ny lalàm-pifidianana. Nitondra fanazavana moa ny teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny alarobia lasa teo, izay nangataka fampitahana nilaza ny fananterana ny fitakiana ho fiarovana ny rariny sy ny marina. Marihana hatrany fa tsy raharahan’ny antoko TIM irery ity fitakiana ny fahamarinana amin’ny fifidianana fa maro ihany koa no mitaky ny mangarahara. Mandrangaranga ny tsy fanekena io voka-pifidianana io manerana ny nosy toy ny Toamasina, Vohemar, Betafo…. Andrasana ny fivoarana satria nandrangaranga nitaky ny fahamarina hatramin’ny farany ireo antoko.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.