Nivory niaraka tamin’ny komitim-pikarakarana fifidianana eo anivon’ny SACEM na ilay tohana ho an’ny fampandehanana ny fifidianana eto amintsika teny amin’ny biraony eny Alarobia, omaly talata 5 septambra,
ny avy eo anivon’ny birao mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Nampahafantarina fa mitaky daty mazava amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny 2 tonta. Araka ny voalaza amin’ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana dia 1 na 2 volana amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena no tokony ho fantatra ny daty, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, omaly. 363 andro no ilaina amin’ny fanomanana fifidianana, hoy izy, ary tafiditra ao anatin’izany ny famerenana ny fijerena isan-taona ny lisi-pifidianana izay hatao amin’ny 1 desambra ho avy izao. Mbola mitaky herintaona fanampiny indray ve ny eo anivon’ny CENI ary mbola manao ezaka ny hanemorana ny datim-pifidianana tsy ho amin’ny taona 2018 ? Mbola manalasala, araka izany, ny fahaleovantenan’ny CENI. 12 tapitrisa dolara moa no natokan’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SACEM hanatontosana ny fanomanana ny fifidianana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.