Tsy mbola mahaleotena mihitsy ny firenena Malagasy, hoy ny profesora James Ratsima. Hatramin’izay taona maro nifanesy izay dia nambarany fa nionona
fotsiny tamin’ny sainam-pirenena malagasy, ny hiram-pirenena malagasy, ny teny malagasy, miaramila malagasy rehetra izay lazaina fa mariky ny fahaleovantena nefa tany am-pianarana aza isika dia nianatra daholo mikasika ilay hoe : néocolonialisme na fahaleovantena sarontsarony izay nomena an’i Afrika tamin’ny andron’ny jeneraly De Gaulle, fanapahan-kevitr’ity farany satria i Frantsa ihany koa dia nogiazan’i Alemaina nandritra ny fotoana maro ka mila tohana sy fanampiana tamin’ireo tany nozanahiny vao afa-miarina. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola misy ihany ireo sahy milaza fa matoa nankalazaina ny fetin’ny 26 jona hatramin’izay dia misy ny fahaleovantena. Koa na iza na iza mino izany fa misy ny fahaleovantena dia tokony hahasahy hiteny ihany koa fa tompon’andraikitra 100 % amin’izao fahantran’ny vahoaka malagasy izao nanomboka tamin’ny taona 1960. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpitondra nifandimby, dia ny zandary, ny miaramila ary ny polisy, hoy hatrany izy. Raha manaiky kosa anefa izy ireo fa misy ny “néocolonialisme” dia an’ny mpanjanatany ny 80 % nahatonga ny fahantran’ny Malagasy. Nefa tokony ho fantatr’ireo milaza azy ho manampahaizana sy ambony grady ireo fa nisy ny “nouvel ordre mondial” taorian’ny ady lehibe faharoa. Niditra an-tsehatra ihany koa ny “géopolitique” izay nametraka mazava fa i Frantsa dia mbola tompom-pahefana eto Madagasikara izay mbola nohamafisin’ny Frantsay tamin’ny politikany France-Afrique ka nahatonga ireo lalàna lasitra na “loi cadre” rehetra nanabeazana ireo olona napetraky ny Frantsay hitondra toy ny Franc-maçonnerie, ny Lions, ny Rotary, ny taranaka Padesm sy ireo fianakaviana mpiray tsikombakomba amin’ny Frantsay. Tokony ho fantatry ny Malagasy rehetra ny tantara ankehitriny satria vao haingana ary tena mbola miaina amin’izany isika. Mifanohitra amin’izay ny tenin’ny sasany toy ireo mahazo toerana dia miaro ny fanjakana noho ny hakelin’ny lohany ka milaza fa tsy nisy izany. Miantso ny rehetra mba hanampy fahalalana amin’ny boky; hianatra tantara ny profesora James Ratsima fa tsy hiteniteny foana ka tsy hanalana baraka ny tena amin’ny alalan’ny fahitalavitra na micro. Mikasika ny tafika manokana izay hankalaza ny faha-56 taona niorenany dia nomarihiny fa tahaka ny tsingerin-taonan’ny olona iray io afaka manasa olona maro satria manana. Raha eo amin’ny toeran’ny olona mahantra sy mampalahelo kosa ny niafaran’ ny tantarany dia hankalazao ihany satria ny fanamiana sisa ankehitriny no maha miaramila entiny manao matso.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.