Mihemotra ve ny fahalana maneho hevitra? Mihemotra ny demokrasia? Misy ny tranga eto amin’ ny- firenena azo heverina fa misy rariny amin’ ny zava takiana sy tiana hatao.
Misy kosa tranga hita mazava fa resaka politika. Amin’ izao aloha, izay mihetsika dia takonam-bava. Kanefa, ny Filoham-pirenena dia nilaza mazava tsara nandritra ny fampielezan-kevitra na hatramin’ ny andron’ ny fifidianana fa demokraty. Araka izany, mahalala tsara ny lanjan’ ny fanehoan-kevitra izany izy, mahalala tsara ihany koa nyfihetsiketsehana. Ny demokraty mantsy mahalala ny zon’ ny tsirairay, zon’ ny olombelona… Eo amin’ izay zon’ ny olombelona izay indrindra dia zo no manao fitokonana (droit de grève) Maro ireo hetsika tato ho ato kanefa mazava ny hafatra avy amin’ ny fitondram-panjakana: herisetra (baomba fandatsahan-dranomaso…) Tsy vitan’ ny baomba lakrimozenina fa avy hatrany mampiditra am-ponja. Tsy misy intsony ny fitsarana fa tonga dia gadraina ny mpitarika grevy na inona na inona ny rariny hananany. Fanarotsaromanana ny ratra, daka, hitsakitsaka nandritra ny hetsika izany rehetra izany. Zon’ ny olombelona no migrevy kanefa ilay zo mihitsy no avy hatrany dia no tapahan-doha. Tsy misy fijerana hoe aiza ny rariny sy ny hitsiny fa midoboka avy hatrany. Diso lalana ny fitondrana amin’ ny fanehoana fa izy ireo no tompon’ ny tanàna sy mifehy ny firenena. Ny miditra am-ponja dia zavatra goavam-be tahaka ny hoe manohintohina ny fiainam-pirenena, manohintohina ny fiandrianan’ ny firenena dia tsy azo atao ny fanagadrana olona tahaka ireny fa misy dingana arahina. Mazava ny hafatra, tsy misy sehatra ho an ‘ny fanehoan-kevitra intsony eto amin’ ny firenena afa-tsy ho an’ ny fitondrana izay manana ny hery rehetra afaka mampiasa izany amin’ ny fotoana rehetra. Amin’ ny raharaham-pirenena ankehitriny, miandry ny vahoaka hoe aiza ho aiza ny fanomboahan’ ny asam-pandrosoana? Manomboka aiza ilay velirano?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.