Politique

Fahalalahana maneho hevitra Lasa Kianjan' ny demokrasia ny « facebook »


  • Talata 29 Oktobra 2019

Rehefa tsy omena sehatra na toerana hahafahany maneho hevitra ny olona, toy nykianjan` ny Demokrasia etsy Ambohijatovo dia io

manatosaka ny hetahetany sy ny hatezerany anaty“facebook”io na koa lasa romotromotra ka mikorontana ny fiarahamonina. Misy antony ireo firenena mandroso matoa mamela malalaka ny olona hilahatra hilanja sorabaventy sy hitabataba an-dalambe. Na ireo mpitandro filaminana aza efa nofanina manokana amin`ny fiatrehana an`izany. Misy ilay fomba fiasa hoe “gestion democratique de la foule” ohatra: efa nahazo fiofanana momba an`io ny mpitandro filaminana Malagasy. Mety ny tsy fisian`io fahafahana maneho hevitra amin’ny fotoana rehetra io no mahatonga ny krizy miverimberina eto satria rehefa isaky ny 5 taona kosa vao afaka midina an-dalambe ny olona. Efa ambony be ny tahan'ny fahasosorana ka mitroatra. Noho izany, atao mazava ny lalàna ary ampahafantarina tsara sady beazina ny olom-pirenena hahay mampiasa  ny zony sy hahafantatra ny adidy aman'andraikiny. Ireo firenena matanjaka toa an`i Etazonia, Frantsa, Alemaina, Angletera, Espaina, Italia... dia tena henjana anie ny fanehoan-kevitra sy ny grevy any fa mikaroka hevitra handaminana azy ankoatra ny fisamborana sy fanagadrana ny mpitondra. Firenena manankarena sy mandroso be daholo ireo ary manana “culture politique” efa avo lenta ny mponina ao aminy ka misy ohatra tsara.azo ianarana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT