Politique

Fahalalahana maneho hevitra ankalamanjana Hifanaza ny Vondron’ny mpanohitra, ny Prefektiora ary ny Filankevitra monisipaly


  • Talata 29 Mey 2012

Tsy mifanipaka velively akory ireo mpanohitra fa ny lalana mankany amin’ny tanjona no samy manana ny azy, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana.

 Hatramin’izao aloha dia samy mangataka ny hamoahana ny Kianjan’Ambohijatovo ho toerana hanaovan’ny vahoaka malagasy fanehoan-kevitra izy ireo. Very ny fahalalahana, tsy misy ny demokrasia. Izay no fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao raha ny nambaran’ireto fikambanana ireto. Tokony hanana ny toerana hifampiresahana ny vahoaka fa tsy ny vahiny hatrany no hahazo vahana amin’ny fahafahana miteny. Tsy afaka mifampiresaka ny samy Malagasy, izay no antony mampitarazoka izao krizy izao eto amintsika. “Mankany amin’ny Kaominina, ny ao no mandefa any amin’ny Prefet. Lany andro mivezivezy eo fa tsy mahita valiny”, hoy ihany i Lalatiana Ravololomanana.

Mikatona feno mpitandro ny filaminana hatrany ny vavahadin’ny kianjan’Ambohijatovo. Hialana amin’ny fifanilihana andraikitra hatrany dia hisy ny fihaonan’ny Vondron’ny mpanohitra amin’ireo tompon’andraikitra mitantana ny renivohitra toy ny Filankevitra monisipaly sy ny Prefektiora ato ho ato. Fihaonana entina hamahana ny olana sy ahitana ihany koa izay tena sakana amin’ny famahana ny olana. Raha tsiahivina dia ny fahazoan’ny vahoaka hiditra ao amin’ity kianja izay natao ho Kianjan’ny demokrasia ity ny tanjon’ireto mpanohitra ireto ahafahana mifampiresaka hamahana ny olana. Tsy mbola tafiditra ao aloha hatramin’izao izy ireo ka izay no mahatonga ireo hetsika nifanesy teny Ambohijatovo sy ny manodidina. Ny fifampiresahana no vahaolana ka ilaina ny fanetren-tenan’ny rehetra mba hitsinjovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny hajan’ny Firenena izay namoizan’ireo raiamandreny teo aloha ny ainy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT