Raha oharina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo dia ambany dia ambany ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana kaominaly raha manodidina ny 25% izy hatreto, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika,
Otrikafo, sady kandida ho mpanolotsaina eto Antananarivo, Elia Rabevahiny. Ny antony voalohany, dia manamafy ny tsy fahatokisany ny mpanao politika intsony ny malagasy. Faharoa, na iza na iza lany eo dia tsy miandrandra ny olom-boafidy intsony ny malagasy. Izay roa izay no antony, heveriko ho mavesa-danja indrindra, hoy izy. Antony fahatelo koa anefa dia niaraha-nahita ny fahasarotan’ny fanatontosana ilay fifidianana, hoy hatrany ny fanazavany. Sarotra ny fiatrehana azy satria tsy voataiza tao anatin’ilay fiatrehana fifidianana roa samihafa ny malagasy. Manampy trotraka ny tsy fitovian’ilay laharan’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Noho izany dia lasa hita fa tsy mivaky loha amin’ny raharaham-pireneny ny vahoaka malagasy. Raha izay no mitohy dia hanome vahana ny politika maloton’ny olom-bitsy isika satria hanao izay tiany atao izay rehetra lany eo. Mila maka lesona ny mpanao politika sy ny vahoaka satria samy tompon’andraikitra amin’ny tsy fetezan-javatra misy eto amin’ny firenena. mila sarotiny amin’ny raharaham-pirenentsika isika raha te handroso. Entanina amin’ny fandraisana an-tanana ny raharaham-pireneny ny Malagasy ary tokony hanao maodely ny mpanao politika satria matoa kamo hifidy ny vahoaka dia efa be ireo olom-boavidy tsy nahatanteraka ny teny nomeny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.