Politique

Fahaiza-mitarika ara-politika Mendrika indrindra aty Afrika i Ravalomanana


  • Alatsinainy 08 Janoary 2018

“Faly aho, tena faly fa nofidianareo ho olon'i Afrika 2017 amin’ny lafiny fitarihana politika. Fisaorana mitafotafo no atolotro ho anareo tsy an-kanavaka. Santatry ny fandresentsika sahady izao, homba antsika hatrany anie Andriamanitra”.

Io no hafatra nalefan’i Marc Ravalomanana tamin’ny tambajotran-tserasera nentiny nankasitra ny vahoaka Malagasy sy ireo rehetra nanohana azy tamin’ilay fifaninana hahazoana ny anaram-boninahitra “ALM Person of the year 2017”, nokarakarain’ny gazety boky African Magazine Leadership. Olona miisa 8 izy ireo no hosalorana ny mari-boninahitra maneho ny maha olon’I Afrika 2017 azy any Johannesbourg Afrika Atsimo ny 24 febroary izao, dia i ny Filoha Rwandais Paul Kagame eo amin’ny sokajy Afrikanina ho an’ny taona 2017 na “African of the Year 2017”. Marc Ravalomanana, Filoha Malagasy teo aloha ho an’ny haitarika ara-politika na ny “Political Leadership”. Bethlehem Tilahum AlemuMs avy any mpanorina ny orinasa soleRebels any Ethiopie sy Suzan Mashibe, Tale mpanatanterakin’i Kaompania an’habakabaka Tanjet Aviation any Tanzanie ho an’ny vehivavy mpitarika na “African Female Leader of the Year 2017”. Strive Masayiwa, avy any Zimbabwe mpanorona ny orinasa Econet, ho an’ny sokajy fampiroboroboana ny fampianarana “Educational Development”. Kwame Nana Bediako, avy Ghana, filoha mpanorina ny Petronia Ghana, ho an’ny tontolon’ny fandraharahana arak’asa na ny “Employment Generation”. Manu Chandaria, Lehiben’ny Comcraft Group any Kenya, ho an’ny resaka fanaovana asa soa sy fanampiana na ny “Philanthropy & Charitable Contributions to Society”, ary ALM Young Person of the Year 2017, Joel Macharia,avy any Kenya mpanorina ny Abacus no tanora mendrika indrindra ho an’ny taona 2017 na ny “Young Person of the Year 2017”. Ireo izany izao no voasokajy ho olobe manana ny maha izy azy sy misongadina aty Afrika amin’izao fotoana izao. Reharehan’ny Malagasy ny nahatafiditra an’i Marc Ravalomanana ao anatin’izany, izay sambany teo amin’ny tantaran’I Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT