Modely amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ivato. Misongadina ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa vaovao maro ao amin’ity kaominina, vavahadin’i Madagasikara, ity toy ny lalana, tranompokonolona, tobim-pahasalamana, sekoly, tao anatin’ny roa taona nandrasain’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa an-tanana ny fitantanana ny Kaominina...
Modely amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ivato. Misongadina ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa vaovao maro ao amin’ity kaominina, vavahadin’i Madagasikara, ity toy ny lalana, tranompokonolona, tobim-pahasalamana, sekoly, tao anatin’ny roa taona nandrasain’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa an-tanana ny fitantanana ny Kaominina... Ho avy koa ny tsena. Manginy fotsiny ny fanohanana ara-tsosialy ireo mpianatra, tanora, mpanao fanatanjahantena, ny mpanakanto. Volan’ny vahoaka, avy amin’ny alalan’ny hetra aloany no nanatanterahana ny asa. Mavitrika amin’ny fandoavan-ketra ny vahoaka eny an-toerana noho ny fahatsapan’izy ireo ny tamberinandraikitra mivaingana ataon’ny mpitarika dia ny Ben’ny tanànan’izy ireo. Miaiky io fahaiza-mitantan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa io ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier. Nambarany io nandritra ny Atrika momba ny famatsiam-bola eny ifotony, tanterahina hatry ny omaly etsy amin’ny Carlton Anosy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.