Politique

Fahafatesan'ny Pr Zafy Tsy hita Rajaonarimampianina


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017

Tonga nitsena sy nanome voninahitra ny nofo mangatsiakan’ny filoham-pirenena teo aloha, ny profesora Zafy Albert teny Ivato ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.

Hita teny an-toerana ihany koa ireo filohan’ny Andrim-panjakana amin’izao sy teo aloha, ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, ny sokajin-kery politika maro ary ireo fianakaviana. Nandrasana tao amin’ny trano fonenany teny amin’ny « Villa la franchise », Ivandry ny  nofo mangatsiakany ny alin’ny 14 oktobra 2017 ary mbola tonga nidodododo teny ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny, izay efa namangy ity andrarezina lavo ity ihany koa fony izy notsaboina teny amin’ny Polyclinique Ilafy. Omaly dia nisy ny fotoam-pivavahana tao amin’ny EKAR Antanimena izay notarihin’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, nitohy tamin’ny fiandrasana ny razana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tonga teny an-toerana koa ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Ny filoha am-perinasa, Hery Rajaonarimampianina kosa dia tsy nandao ny “Iraka” tanterahany any Roma Italia amin’izao fotoana, raha nandefa teny fohy fampiononana ho an’ny fianakaviana ny alahady teo.Hanatrika ny fivoriana manodidina ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo anio alatsinainy ao Roma i Hery Rajaonarimampianina ary voalaza fa mbola hanatrika ilay fikaonan-doha ara-toekarena eo amin’ny mpandraharaha Italiana sy Malagasy ihany koa; ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fihaonana amin’ny filoha Italiana Sergio Mattarella. Tsy eto an-toerana fa lasa any ivelany ihany koa ny filoha nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao. Dia tsy azo nampandeferina mihitsy ve ny dia kanefa dia kihon-dalana goavana eo amin’ny fiainam-pirenena no mitranga ? Filoham-pirenena teo aloha, izay rain’ny demokrasia, tompon-kevitra amin’ny fampihavanam-pirenena no nodimandry fa tsy olon-kafa. Re fa miara-dalana amin’ny filoham-pirenena any Roma Italia renivohitry ny lamaody Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT