Politique

Faha-62 taonan’i Dada Nomen-danja ny sosialim-bahoaka


  • Talata 13 Desambra 2011

Endrika maroloko no nanamarihan’ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana ny tsingerintaona faha-62 nahaterahany, nankalazaina omaly tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy, eny fa na ny toerana lavitra toa an’i Tsiafabositra aza, tsy nanadino izany.

 Ho an’ireo fikambanana maro toy ny Vondron’Olon-tsotra, Maherifo 2009, FIMAPRO, ny “Komity mitaky ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra”… dia naompana tamin’ny fijerena manokana ny sosialim-bahoaka ny hetsika omaly. Nanamarika ny fitondran’i Marc Ravalomanana rahateo ny sosialim-bahoaka ka ho fampahatsiahivana izay no nisafidianan’ireto fikambanana ireto ny hetsika nanamarihana io tsingerintaona nahaterahan’ny filoha Ravalomanana io omaly. Nisy ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana, nahitana vary sy voamaina, lamba fitafy ary vatomamy sy bisikitra ho an’ireo zokiolona, mananontena ary havan’ny gadra natao tao amin’ny Nalugaru 67ha.

Niditra an-tariby nivantana nandritra ity hetsika ity, sady nisaotra ireo rehetra nahatsiaro azy tamin’izao vanim-potoana lehibe eo amin’ny fiainany izao ny filoha Ravalomanana sady nanamafy fa tsy maintsy ho avy izy. Nampirisika sy nampahery ireo mpomba azy hanohy hatrany ny tolona koa izy mandra-piaviny eto. Tetsy andanin’izany ireto olon-tsotra ireto dia nanome toky fa hanohy hatrany ny tolona hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, ary manohana ny hiverenany hitantana ny firenena indray. Nisy mihitsy fanolorana fehezan-tononkalo mirakitra izany nataona olon-tsotra iray.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT