Nahemotra noho ny antony efa fantatra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tao Antananarivo misy ny birao foibeny.
Nankalazaina tamin’ny fomba nanetriketrika tsy nisy nisakantsakana kosa ny TIM Faritra Atsimo Andrefana notarihan’ny Reg Tim, Sazalahy Tsianihy, ny sabotsy 29 jolay teo tao amin’ny kianja malalaky ny Magro Toliara. Ankoatra ireo mpikambana TIM any amin’ity Faritra ity marobe dia tazana nanotrona ny lanonam-pankalazana ny DisTim sy ireo ComTim ary FokoTim sy ny fikambanana Vehivavy TIM manerana ny Faritra ary ireo sendikan’ny mpivarotra ao Toliara. Anisan’ireo tazana tao koa ry zareo ao amin’ny fikambanana Tokobe Telo notarihan’ny filohany Mandaso na i Marin. Tsotra ny tanjona navoitra tao anatin’ity fankalazana ity dia ny nanamafisana ny vina fandaniana “1er Tour” amin’ny ara-dalàna ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hatao amin’ny 2018 satria tsapan’ny maro fa tsy tontan’ny ela ity filoha Marc Ravalomanana ity ary be ny asa vitany tsy afaka am-bavan’ny vahoakan’i Toliara toy ny fanatsarana ny tanàna, ny fikajiana ny lafiny fandriampahalemana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.