Politique

Fa misy inona ? Minisitra telo nantsoina maika anaty fivoriana


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Hajo Andrianainarivelo, praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny ary Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, minisitry ny fitaterana.

 Miatrika filankevitry ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer, eny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo izy ireo no nantsoin’i Andry Rajoelina maika. I Hajo Andrianainarivelo no mitondra teny azy ireo fa hiala aloha, fa antsoin’ny filohan’ny tetezamita. Asa moa na tokony hiera raha mahazo mandeha no tokony ho natao tamin’izany na tsia, satria na tiana na tsy tiana ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer no lehiben’izy ireo. Nanomboka kelikely, araka izany, ny filankevitry ny governemanta dia nandao an’i Mahazoarivo izy telo lahy ireto. Inona no anton’ny fiantsoana maika ? Misy ifandraisany amin’ny datin’ny 29 febroary 2012 efa antomotra ve, daty izay voalaza fa hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ? Miely amin’ny tranokala rahateo fa dia misy vinavina sidina telo mety hiseho amin’io 29 febroary io. Ny roa dia miainga ao Mozambika, ny fahatelo kosa miainga ao Jobourg Afrika Atsimo. Mihazakazaka, araka izany, ny raharaha.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT