Tsy mandrimandry ny fanjakana manoloana ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny firongatry ny tsy fandriampahalemana manampy trotraka ireo hetsi-pitakiana nanao sesilany tato ho ato.
Miatrana avokoa ny lakazerina sy toby miaramila amin’izao, efa tena alerta.
Nofoanana ny “congé”
Misy sampana sasany aza nahazo toromarika, mba hivatsy mandrakariva ny fanampiana fitondra an’ady, sao misy ny tampoka. Manaraka izay dia nofoanana avokoa ireo fangatahana fialantsasatra na “conge” ho an’ireo mpitandro ny filaminana. Nezahana ny naka vaovao fanampiny hatry ny omaly alina, saingy sarotra ny namantatra ny tena marina. Ny azo antoka dia mitaintaina ary tena mailo ny any ambonimbony any manoloana ny tranga maro nifanesisesy teto amin’ny firenena tato ho ato izay. Maro be ny feo mifamoivoy etsy sy eroa momba ny fikasana hanakorontana saingy hatreto aloha dia fisavana trano tsy nahitam-bokany mazava no nisy ary navoaka ny didy fampisamborana saingy tsy mbola hitan’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao izay toerana iafenan’ny senatera Lylison, nambara fa niketrika fanakorontanana. Sa ve efa fantatra fa tsy samborina izy ? Fa nahoana ? Tsy tongatonga ho azy izany hoe miatrana am-bava-basy izany ny tafika fa ao raha ! Hita taratra amin’izao fikoropahana izao fa manahy zavatra hafahafa hitranga ny fitondram-panjakana ary mitaintain-dava.
Ho maro rahateo ny vahiny ho avy eto Madagasikara ato ho ato. Eo ny fampiantranoan’i Madagasikara ny andiany faha-10 amin’ny CJSOI (Commission de la Jeunesse et des Sports de l'Océan Indien), izay miendrika fihaonamben’ny tanora aty amin’ny fari-dranomasimbe indianina isian’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy fifanalozana ara-kolontsaina, hotanterahina eto Antananarivo ny 30 jolay hatramin’ny 5 aogositra. Hanarakaraka azy io ny hetsika mikasika ny fikarohana karakarain’ny vondrom-pifanakalozana COMESA.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.