Manoloana ny fitakian’ny manamboninahitra lefitra, izay efa manana endrika fikomiana, eo anatrehan’ny fiakaran’ny solika sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, ampian’ireo grevy sy fitakiana etsy sy eroa, dia mangina tanteraka tsy naharenesam-peo mihitsy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, na dia mamonjy birao isan’andro eny an-dapa ihany aza.
Tsy dia manaitra ny olona firy ny fahanginan’ireo filoha mirahalahy teo aloha, izay samy any ivelany, saingy mampiahiahy sy miteraka adihevitra kosa ny fahanginan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, noho izy tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena ary tokony hanan-kambara tsara mihitsy amin’ny vahoaka ao anatin’izao krizy efa tena miantraika any anaty lovia sy vilany izao. Fa nahoana ary no tsy miteny ny filohan’ny tetezamita ? Tsy manan-kambara sy efa very hevitra ve sa manaiky ny zava-misy ary tsy mbola mahita vahaolana ? Tsy hita intsony fa dia nijanona ho tantara ilay fandaharana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana nitondra ny lohateny hoe : "hono ho aho Andriamatoa Filoha ?".
Nambara fa fandaharana natao mba hitafan’ny filoha mivantana amin’ny vahoaka sy hanambarany ny zava-misy manodidina ny raharaham-pirenena izy io. Taty aoriana aza dia nisy ampahana olom-pirenena afaka nametraka fanontaniana ka novalian’ny filoha. Tsy misy intsony izany ankehitriny, noho ny antony tsy mbola mazava, hany ka miha mahazo vahana ny honohono sy siosion-dresaka manome tsiny ny filohan’ny tetezamita, izay toa miala andraikitra izany manoloana ny fahasahiranam-bahoaka. Nisafidy ny hangina mba tsy hanomezana toky indray ve i Andry Rajoelina ? Sa efa tonga saina fa isaky ny miloa-bava izy dia mamorona olana iray vaovao indray ? “Izay mangina, hono volamena” Misy ohabolana milaza koa : “misy mafy mihoatra ny vatolampy ve, fa rehefa tsy miteny dia anaovan’ny voronkely maloto !”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.